KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

MIHAMY MADA FASHION 2021 : Hiavaka ny andiany faharoa, hitombo isa ireo mpandray anjara

Vokatra tsara no azo tamin’ny hetsika Mihamy Mada Fashion andiany voalohany tamin’ny taon-dasa. Antony nahatonga ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hiroso amin’ny hetsika andiany faharoa indray amin’ity taona ity. Hiavaka ity andiany vaovao ity amin’ny ankapobeny, raha tsy hilaza afa-tsy ny fitomboan’ny isan’ireo mpandray anjara. Nanamafy ny tale jeneralin’ny Kolontsaina fa tafiakatra 50 ireo tranoheva ho hita ao an-toerana.

Hetsika fampahafantarana  ny mpisehatra eo amin’ny haihaingo sy ny mpanao lamaody malagasy ny “Mihamy Mada Fashion”. Amin’ny ankapobeny, fanomezan-danja ny mpamorona izy io, izay efa fanaon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, nanomboka tamin’ny taon-dasa. Nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Francis Razafiarison, fa tsara sady nahazoana akony tsara tamin’ireo mpandray anjara ny andiany voalohany. Amin’ity taona ity, ny 12, 13, 14 Febroary izao no hatao ny hetsika. Ny toerana hanaovana izany dia ao amin’ny « Palais National de la Culture et des Sports » etsy Mahamasina ihany. Hitombo ny isan’ny tranoheva amin’ity taona ity, izay anisany hampiavaka ny hetsika. Araka ny fanazavana, dia hiisa hatramin’ny 50 any ho any ireo tranoheva, izay hampirantian’ireo mpanao akanjo, haizaitra, ny mpanao haivolo, ny mpanao haihaingo, toy ny kavina, ny poketra ny kiraro, sy ny sisa. Hisy koa seho an-tsehatra lehibe, izany hoe hisy mpanakanto hanafana ny lanonana.

Mpanakanto

Mampiavaka ny hetsika amin’ity taona ity ihany koa, ny nifandrifiany amin’ny fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia, hoy Tale Jeneralin’ny ofisy nasionalin’ny zavakanto sy ny Kolontsaina, Rakotondrabe Niry. Ankoatra ny haihaingo izay hibahan-toerana mandritra ny hetsika, noho izany, hisy koa fampisehoana hiarahana amin’ny artista maro. Ho an’ny Zoma 12 Febroary, ny mpanankanto mivoy ireo mozika nentim-paharazana no handravaka ny fotoana, ahitana an’i Saramba sy Rootsikalo. Ny tapany hariva amin’io andro io, i Tence Mena sy i Njakatiana no hanafana ny fotoana, izay mpanakanto mivoy gadona roa samihafa saingy samy manana ny maha izy azy. Ny harivan’ny Sabotsy 13 Febroary kosa dia ny mpanakanto Nate Tex, Melky sy Princio no ho tonga hanatanteraka seho ao an-toerana. Hifarana ny andron’ny faha-14 ny volana Febroary kosa ny hetsika, hiarahana amin’I Mr Sayda, Mage 4, ary Nael. Ireo hetsika rehetra ireo dia hifanindra andalana amin’ny filatroana hatrany, izay hiarahana amin’ny mpilatro matihanina.

Famelabelaran-kevitra

Tetsy ankilany, notsiandrian’ny Tale misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe, Nampoina Ranarivelo, fa fanohanana ny sehatry ny haihaingo sy ny mpamorona no tanjon’ny Minisitera amin’izao hetsika izao. Araka izany, maimaimpoana daholo ny fandraisana anjara amin’ny hetsika, isan’ireo ny fampirantiana, ny fampilatroana, ny fitsidihana, ny fijerena fampisehoana, ary raisin’ny Minisitera an-tanana daholo ny zava-drehetra.

Nosafidiana manokana ireo lohahevitra horesahana mandritra ny famelabelaran-kevitra sy ny atrikasa. Isan’izany ohatra ny velan-kevitra ho tanterahina ny zoma 12 Febroary, izay mahakasika ny “Taovolo malagasy, seha-pihariana azo trandrahina?” Izany hoe tsy resadresaka fotsiny no hatao ao fa hatodika mankany amin’ny lafiny toekarena sy ny fampandrosoana. Ho an’ny velan-kevitra ny sabotsy amin’ny 2ora tolakandro kosa indray, dia mahakasika ny “Lamaody vita malagasy, vifain’ny Malagasy?” Tanjona amin’izany hisintonana ny Malagasy ho liana sy hanjifa ny vita malagasy eo amin’ny tontolon’ny haingo sy ny famoronana. Eo koa ny atrikasa (masterclass), misy ao lohahevitra mahakasika ny fakana sary an-damaody. Ny alahady amin’ny 2ora kosa ny mahakasika ny mpilatro matihanina. Tsara ho fantatra fa hisy fepetra manokana hapetraka hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana.

Fermer