
Fanadihadiana ManokanaPolitika
FREEDOM: Nanavao ny birao nasionaliny ny Antoko
Feno dimy taona katroka tamin’ity taona ity ny fe-potoam-piasan’ireo birao nasionalin’ny Antoko Freedom teo aloha, ka antony tsy maintsy nanaovan’ny Antoko Kongresy nasionaly nanavaozana ireo birao, omaly, tetsy Ambatomirahavavy. Saika mbola tafaverina tamin’ny andraikiny avokoa tamin’ny ankapobeny ireo birao teo aloha, ankoatra ny olom-baovao vitsivitsy sy ny andraikitra vaovao.
Ankoatra ireo olon’ny Antoko Freedom avy eto Antananarivo, dia tonga maro ihany koa ireo solontenan’ny Antoko avy any amin’ny Faritra, nandritra ny kongresy izay notanterahin’ny Antoko, omaly, tetsy Ambatomirahavavy. Antom-pisian’ny kongresy voalohany indrindra ny nanavaozana ireo birao nasionalin’ny Antoko Freedom, izay mbola nahalany indray an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ho Filoha Nasionaly, mandritra ny dimy taona manaraka indray. Velom-pisaorana ireo mpikambana Freedom, noho izany, ny tenany tamin’ny mbola naha tafaverina azy ho filohan’ny Antoko indray. Ary nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany fa fotoana tokony hanomanana mpandimby hampitana ny fanilo izao. Nampahatsiahy ny Filohan’ny Antoko fa fe-potoam-piasana in-droa ihany ny mpikambana ao amin’ny Birao nasionaly no afaka miasa, araka ny voalazan’ny sata mifehy ny fikambanana. Izany hoe, ity no dimy taona farany maha filoha nasionalin’ny Antoko Freedom an-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo. Toy izany ihany koa ireo tafaverina fanindroany rehetra ao anaty Birao nasionaly. Mandala ny fifandimbiasan-toerana demokratika isika, hoy ny fanazavana. Fotoana ihany koa omaly, nanaovana “mise à jour” ny vinam-piarahamonin’ny Antoko.
Vondron’ny olom-boafidy
Mametraka ny lanjan’ny olom-boafidy ao anatin’ny Antoko ny Freedom. Tsara ho fantatra fa manana rafitra antsoina hoe “Collège des élus” ny Antoko Freedom, na vondron’ny olom-boafidy. Ireto farany izay mifanindra andalana amin’ny birao nasionaly. Ary ny solontenan’ny vondron’ny olom-boafidy dia mpikambana feno amin’ny Birao nasionaly. Izany hoe, miara-mivory amin’ny birao stratejikan’ny antoko, izay tarihin’ny Solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa. Tsara ho fantatra fa ankoatra ity farany, dia misy amin’ireo olom-boafidy no mpanolontsain’ny tanàna, ben’ny tanàna. Nanambara ny Filoha nasionalin’ny Antoko omaly fa ny Freedom irery ihany no manana drafi-panandratana ny kaominina, avy amin’ireo olom-boafidy. Amin’ity taona ity, dia hanomana hampaham-bola betsaka hanampiana ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna mba hisongadina ny tanàna misy olom-boafidy lany tamin’ny Antoko Freedom. Ary aorian’ny kongresy dia efa hahazo jiro sahady ireo olom-boafidy Freedom entina hanazavana ny tanàna. Notsindrian’ny Filohan’ny Antoko koa fa na ny Antoko mivantana no mamatsy vola ny tetikasa ao amin’io drafi-panandratana ny Kaominina io, na itadiavana mpamatsy vola manokana, izay ho eo ambany andraikitry ny birao nasionaly.
Manaraka fiofanana
Marihana fa isany mampiavaka ireo olom-boafidy Freedom ny fanarahan’izy ireo fiofanana momba ny fitantanana ny Kaominina. Misy fiarahamiasa amin’ireo mpisehatra matihanina amin’izany, mba hitohizan’ny fiofanana hatrany. “Mahazo manantena isika fa tsy ho gisitra fa ho lohany ny kaominina rehetra tantanan’ny ben’ny tanàna Freedom sy misy mpanolontsain’ny tanàna Freedom”, hoy ny fanazavana.
« Tanora Freedom »
Faritra 15 amin’ny 23 eto Madagasikara izao no efa misy ny rantsamangaikan’ny Antoko Freedom. Manaporofo izany fa efa mielim-patrana ny antoko. Ary koa, miezaka misandrahaka amin’ny sehatra rehetra ny Antoko Freedom, indrindra eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Mila fepetra anefa izany, hoy ny Filoha nasionaly, dia fananana ny fari-pahaizana takiana amin’ilay asa, olona madio sy tsy mpivadibadika palitao.
Tafapetraka omaly koa ny Birao nasionalin’ny « Tanora Freedom » izay sampana ivondronan’ireo tanora latsaky ny 35 taona ao anatin’ny antoko. Voafidy hitantana ny biraon’ny Tanora Freedom Atoa Yslin Randrianirina, manatevin-daharana azy ao ny Filoha Lefitra, ny Sekretera Jeneraly, ny Mpitam-bola ary ny mpanaramaso ny fitantanam-bola.
Filoha Lefitry ny Antoko: Ranaivoarimanga Sahoby
Filoha Lefitra misahana ny lafiny lalàna: Rajaona Koloina
Sekretera Jeneralin’ny Antoko: Haja Rasoanarivo
Sekretera Jeneraly lefitra: Andrianarivelo Lalao Bakoly Nirina
Mpandrindra nasionalin’ny Antoko, sady tomponandraikitry ny asa sosialy: Rakotonirina Heriniaina.
Mpitam-bolan’ny Antoko: Andrianasoloniaina Harivelo Andriamanga Richard
Mpanara-maso ny fitantanam-bola: Rafanambinantsoa Andoniaina Sylvia
Mpanara-maso ny fitantanam-bola: Ratefiarimanana Dinaharivelo Tsiry Ny Aina
ANTOKO FREEDOM: Manamafy ny fanohanany ny Filoham-pirenena
Nanatanteraka ny kongresy nasionaly izay fanaony isaky ny dimy taona ny Antoko Freedom, nanavaozana ireo mpikambana ao amin’ny birao nasionaly. Nanavaozana ihany koa ny vinam-piarahamonina, ary nitondran’ny Antoko ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena. Nisy ny tsoa-kevitra izay nivoitra taorian’ny kaongresy, omaly. Voalohany indrindra amin’izany ny fanamafisana indray ny fanohanana zato isan-jato ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. “Resy lahatra ny Antoko Freedom fa ny vina amin’ny alalan’ny “Plan Emergence Madagascar” izay rafetina amin’izao fotoana izao, dia mifanaraka tsara amin’ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika izay nataony tamin’ny vahoaka malagasy. Ny Antoko Freedom dia mahita fa mizotra tanteraka amin’ny fanatanterahana izany Velirano izany ny Filohan’ny Repoblika”, hoy ny Filoha nasionalin’ny Antoko, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Nanamafy izany foto-kevitra izany avokoa ireo mpizaika rehetra nahatonga solontena teto Antananarivo omaly.
Tanora, fanoitra amin’ny fampandrosoana
Manamafy ny fiarahana amin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny Antoko Freedom, araka izay nifarahana tamin’ny vahoaka mpifidy, ny taona 2018. Eo amin’ny tontolon’ny toekarena, ny Antoko Freedom dia manamafy amin’ny maha hery ankavia azy, dia ny tokony hisian’ny fanohanana bebe kokoa avy amin’ny Fanjakana. Tokony ho eo anilan’ny fandraharahana bebe kokoa ny Fitondram-panjakana, hoy ny fanazavana. Eo amin’ny lafiny sosialy, tokony hamafisina ny fitsinjovana ireo marefo. “Tsapa fa efa mizotra mankany amin’izany ny Fanjakana amin’izao fotoana izao”, hoy ny Filohan’ny Antoko. Ankoatra izay, nohamafisin’ny mpizaika ny tokony hisian’ny fampananana asa ny tanora, izay mbola marefo amin’izao fotoana izao. “Ny tanora dia hery iray tsy tokony ho tsinontsinoavina, ary tokony homena ny toerany eo amin’ny fampandrosoana ny firenena. Izany indrindra no mahatonga ny Antoko nanao ny fandaharanasa manome vahana ny fampananana asa ny tanora, eo namin’ny lafiny toekarena, sosialy, ary fialamboly amin’ny ankapobeny”, hoy hatrany fanazavana.
Fahafahana anaty fanajana lalàna
Tetsy ankilany, nohamafisin’ny Antoko Freedom tao anatin’ny tsoa-kevitra koa fa mandala ny fahalalahana ny antoko, amin’ny maha antoko sosialy-demokraty azy. Ny fanajana ny fahalalana ho an’ny Antoko Freedom dia ny fanajana ny fahafahan’ny tsirairay, fahalalahana maneho hevitra, fahalalahana manana hevitra ihany koa. Kanefa, tokony ho ao anatin’ny fanajana ny lalàna tanteraka no hampiharana sy hampiasana izany fahalalahana izany, hoy ny fanazavana. Ilaina ny fanajana ny fitsipi-pifehezana ho an’ny fiarahamonina, ny fanajana ny lalàna. “Mametraka ny Antoko Freedom fa tsy tokony handefitra ny Fanjakana amin’ny fampiharana ny lalàna, na iza izy na iza. Ary rehefa tratra amin’ny fandikan-dalàna na amin’ny endriny ahoana na ahoana, na mpitantan-draharaham-panjakana na olon-tsotra, dia tokony hampiharana ny lalàna, fa tsy misy fanavahana”, hoy hatrany fanambarana.