PolitikaSongadim-baovao
FAMETRAHAM-PIALAN’NY PRAIMINISITRA: Nibaribary ny laingan’ny ekipan-dRavalomanana
Niely nandritra ny faramparan’ny herinandro lasa iny, indrindra tao amin’ny tambazotra sosialy Facebook, fa nametra-pialana, hono, ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian. Mbola nambara mihitsy fa nitsoaka an’i Madagasikara noho ny antony maro samihafa. Ny faran’ny herinandro teo ihany anefa dia voamarina fa diso tanteraka izany fanambarana izany, nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Praiminisitra tetsy Anosizato.
Tsy misy afa-tsy fanakorontanana sy fanelezana tsaho sisa no paikadin’ny mpanohitra sy ireo mpikaraman’adiny ao amin’ny tambazotra sosialy, entina hanatsatsoana ireo tetikasam-pampandrosoana ataon’ny Fitondram-panjakana. Ny herinandro lasa teo, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta indray no lasibatra tamin’ny fanelezana tsaho izay milaza fa nametra-pialana ny tenany, ary vaky nandositra niala teto Madagasikara. Ny zoma lasa teo ihany, nandritra ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”, dia efa nilaza ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, fa tsy mitombina velively izany tsaho miely izany. “Manohy ny asany ara-dalàna ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tsy misy mpisolo toerana izany araka ny feo mandeha naely androany maraina teto amin’ny tambazotra sosialy”, hoy izy tamin’io andron’ny zoma 05 Febroary io. Nambara tany anaty fanehoan-kevitra samihafa tany mantsy fa hoe efa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina no notendrena ho Praiminisitra mpisolo toerana. Kanefa, tsy nisy akory fanambarana ofisialy mahakasika izany, ary tsy mbola nisy didim-panjakana nanendry azy ho eo amin’izany toerana izany.
Mbola sarona tanteraka ihany koa ny tsaho naelin’ny mpandainga ny Sabotsy teo, raha nandeha nitsidika ny toby lehibe famatsian-drano (Station de traitement d’eau) teny Anosizato ny Praiminisitra Ntsay Christian, nijerena ifotony ny fandehan’ny asa rehetra momba ny fanamboarana fotodrafitrasa fototra ho amin’ny famatsiana rano madio an’Antananarivo. Notsindrian’ny Praiminisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa mitohy miasa ny Fanjakana sy ny Governemanta izay tarihiny fa tsy araka izay voalaza sy iniana haparitaka. Mitohy, hoy izy, ny fijerena vahaolana ho an’ny vahoaka. Nandritra izany koa no niantsoany ny vahoaka mba tsy ho mora handairan’ny tsaho. “Misy lalàna mifehy ny tsaho ka tokony mba mitandrina ny olon-drehetra amin’ny fanelezana tsaho”, hoy hatrany Praiminisitra.
Minisitry ny Fiarovam-pirenena?
Nifanindra an-dalana tamin’ny filazana fa nametra-pialana sy lasa nitsoaka tany ivelany ny Praiminisitra dia nambara ihany koa fa tsy eto an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ary tsy nety nandray ny toeran’ny Praiminisitra mpisolo toerana. Ny tena zava-nisy marina anefa dia nihaona manokana tamin’ny minisitry ny Fiarovana Indiana, Atoa Rajnath Singh, tany Inde, ny Jly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenena malagasy. Vokatry ny fiaraha-miasa ara-tafika miroborobo eo amin’ny Firenena roa tonta dia isan’ny voaasa manokana ny Firenena malagasy, amin’ny alalan’ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, hanatrika ny fampirantiana mikasika ny fiarovana sy ny fitaterana ary ny haitao avo lenta an’habakabaka. Araka izany, tsy misy mitombina velively ireo tsaho haely mikasika ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, fa mitohy amin’ny andraikiny avokoa izy ireo.
Ny Fanoratana




