PolitikaSongadim-baovao
ANTOKO FREEDOM: Manameloka ny fanakorontanana ataon’ny mpanohitra
NY ANTOKO FREEDOM, TAORIAN’NY FIKAONANDOHAN’NY KONGRESY NASIONALY NATAO ANDROANY 5 FEBROARY 2021 DIA NAMOAKA IZAO TSOAKEVITRA MANARAKA IZAO :
-Manamafy fa manohana 100% ny Filohan’ny Repoblika voafidy ara-demokratika ankehitriny, Atoa Andry Rajoelina sy ny fitondrana mijoro ankehitriny,
-Manameloka ny fanakorontanana ataon’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny lainga, tsaho ary fanasoketana aparitaka izay hikatsahana fankahalana ny mpitondra,
-Manameloka ny fanakorontanana hitadiavana fanonganam-panjakana araka ny ketrehin’ny mpanohitra ankehitriny,
-Manamafy fa Filoha voafidim-bahoaka ny Filoha Andry Rajoelina ary manana ny « légitimité » hitantanany ny firenena ka tokony hajaina ny fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika,
-Manamafy fa lalana mankany amin’ny fanatrarana ny fahataran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Plan Emergence Madagascar izay vinan’ny Filohan’ny Repoblika, ka manohana izany tanteraka ary mifanome tanana hanatanterahana izany ny antoko Freedom,
-Manindry hatrany fa antoko amin’ny hery ankavia ny antoko Freedom ka noho izany mitandro toy ny anakandriamaso ny fahalalahan’ny isam-batan’olona. Tafiditra ao anatin’izany ny fahalalahana hanana sy haneho hevitra, saingy kosa tsy maintsy ao anatin’ny fanajàna ny lalàna manankery sy ny soatoavina maha-malagasy irery ihany ny fisitrahana izany fahalalahana izany,
-Manindry koa ny tokony hijeren’ny fanjakana bebe kokoa ny lafiny sosialin’ny vahoaka, ny eo amin’ny fandraharahana ara-toekarena izany izay ilaina ny fanohanan’ny fanjakana ny mpandraharaha malagasy ary ny fametrahana mandrakariva ho ambony indrindra ny lafiny maha-olona,
-manipika fa ny fampanajana ny fitsipi-pifehezana anaty fiarahamonina (respect de la discipline) sy ny fampanajana ny lalàna manankery (respect de la loi) irery ihany no lalàna hahatafavoaka ity firenena ity amin’ny gaboraraka nandritra ny taona maro,
-farany, dia manamafy ny maha-zavadehibe ny fanomezan-danja ny fampananana asa ny tanora sy ny fitsinjovana ireo olomboafidy eny anivon’ny faritra sy ny kaominina isan-tokony.
AMBATOMIRAHAVAVY, 5 FEBROARY 2021




