SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ANTONTANISA COVID-19: 295 ireo tranga voamarina tao anatin’ny herinandro
Mbola mitana ny laharana voalohany amin’ireo Faritra ahitana olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus betsaka indrindra Analamanga hatreto. Araka ny tatitry ny CCO Foibe farany, niisa 137 ireo tranga vaovao voamarina teto Analamanga nandritra ny herinandro, raha toa kosa ka 295 izany nanerana an’I Madagasikara.
Araka ny antontanisa navoakan’ny Foibem-pibaikoana misahana ny ady amin’ny Covid-19, omaly alahady 07 Febroary, niisa 295 indray ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus, nanomboka ny 30 Janoary teo, ka hatramin’ny 05 Febroary. Fitiliana 2 596 no nahitana ireo olona ireo, araka ny fanazavana. Niisa 275 kosa ireo sitrana soa aman-tsara nandritra ny herinandro farany, raha toa ka niisa efatra ireo lavo tamin’ny valanaretina. Hatreto izany, mbola 585 ireo olona mbola manaraka fitsaboana eto amintsika.
Teto Analamanga avokoa ny 137 tamin’ireo tranga vaovao voamarina ireo. Tsara ho fantatra koa fa mbola misy marary maneho tranga misy fahasarotana miisa 21 izao eto amin’ny Faritra Analamanga, araka ny tatitra. Tato amin’ny Faritra Matsiatra Ambony kosa no nahitana tranga voamarina betsaka indrindra taorian’Analamanga. Araka ny tatitra, niisa 53 ireo olona voatily fa mitondra ny Coronavirus tao an-toerana, raha toa kosa ka 52 ireo tranga vaovao tao amin’ny Faritra Atsinanana. 18 kosa ireo tranga vaovao voamarina tao Vakinankaratra, 17 tao Menabe, raha toa ka tsy nisy nihoatra ny folo izany tany amin’ny Faritra hafa toa an’Itasy, Analanjirofo, Vatovavy Fitovinany, Ihorombe, Boeny. Na izany aza anefa, teto amin’ny Faritra Analamanga no nahitana narary sitrana betsaka indrindra izay niisa 184.
Araka ny tambatrisa, noho izany, tafiakatra 19 360 ny fitambaran’ireo olona voamarina fa efa nitondra ny tsimokaretina Coronavirus teto amintsika. Miisa 18 490 kosa ireo nahazo fahasitranana soa aman-tsara. 285 kosa ny fitambaran’ireo lavo. Hatramin’ny 05 Febroary teo, niisa 114 282 ny fitambaran’ireo olona voatily.
Hamafisina ny fepetra eto Analamanga
Tsy mbola misy fiovana hatreto fa efa amin’ny CTC-19 Village Voara Andohatapenaka no toerana hahafahan’ireo olona misy soritr’aretina manao fitiliana, ho an’ny eto Analamanga. Manoloana ny antontanisa, ilaina ny fanamafisana ny fampanajana ny fepetra eto afovoan-tany. Efa niara-nisalahy tamin’izany ny rafi-panjakana tsirairay nanomboka tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Nisy ny fanasaziana ireo tsy nanao arotava, izay mbola mitohy hatramin’izao. Efa mandeha koa ankehitriny ny fanamafisana ny fanentanana amin’ny fandraisana ny CVO mba ho fiarovana. Hita izany isak’ireo departemanta minisiterialy isan-karazany. Tanjona ny tsy hidirantsika amin’ny onja faharoa indray amin’ity valanaretina ity.




