PolitikaSongadim-baovao
MBS SY NY MIARA-MANONJA: Voaporofo ny fambolena adim-poko sy fanelezana vaovao diso
Tsy nandray baiko ary tsy nanome baiko na tamin’iza na tamin’iza ny Minisitry ny Fitsarana nanoloana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana momba fanapahana ny fampitana ny Televiziona MBS tamin’ny alalan’ny zanabolana. Nahaleo tena tanteraka ny mpitsara nandray iny fanapahan-kevitra iny, hoy izy, satria voaporofo ireo fambolena adim-poko, fifankahalana, ary fanelezana vaovao diso ataon’ireo mpanao ny fandaharana, ka mety hiteraka korontana.
Tsy azo ekena, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard, ny fampisaraham-bazana sy ny famafazana lainga amin’ny haino aman-jery, raha nanazava mahakasika ny raharaha fanapahana ny fampitana ny MBS amin’ny alalan’ny zanabola ny tenany. Ny Fitondram-panjakana mihitsy, hoy izy, no nanao ny fitoriana fa tsy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina velively, araka ny voizin’ny mpanohitra. Manaraka ny lalàna tanteraka ny namoahana io didy fampiatoana vonjimaika io, ary nanaraka ireo antanantohatra maro samihafa ihany koa.
« Misy milaza vaovao diso, sy manala baraka. Manao teny fanopana. Mitarika ny olona hifankahala sy mamboly adim-poko ka miteraka korontana”, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, namintina ireo antony nandraisan’ny Fitsarana ny fanapahana. Izay antony telo izay no nalefa teny amin’ny fitsarana, ary nodinihina ary namoahan’ny fitsarana fanapahan-kevitra. Ny “Canal Plus, Startimes, ary ny Paraboles”, no nentina tany satria izy ireo no voakasiky ny raharaha mivantana. “Rehefa nivoaka ny didy, dia nihevitra ny tao amin’ny mpitsara, izay manana ny maha izy azy, fa mitombina ireo porofo, ary noraisina ny fanapahan-kevitra”, hoy ny fanazavana. Anisany notsindrian’ny Minisitra ireo teny navoaka tao amin’ny MBS, toy ny fitadiavana vola 8 miliara dolara hanaovana ny PEM, manao fanondranana volamena an-tsokosoko, vola ataonareo “argent de poche”, ny raharaha fanafarana fitaovam-piadiana. Isany nahazoana porofo ihany koa ny filazan’ny tao amin’ny MBS fa notengenan’ny Faritanin’i Fianarantsoa ny Faritanin’i Toliara, izay mibaribary tanteraka fa fambolena adim-poko no tanjon’izany. “Namoaka didy araka ny feon’ny fieritreretany ny mpitsara. Naato aloha ny fifanarahana sao ny teny sy ny zavatra mivoaka eo hiteraka korontana”, hoy hatrany ny Minisitra.
Fitsarana ady maika
Nandiso ny filazana azy ho nandray baiko ny Minisitry ny Fitsarana omaly. Notsindriany fa ny Fitondram-panjakana dia afaka mangataka sy mitory. Nisy ny solotenam-panjakana izay nametraka fitoriana, hoy izy, tamin’ny alalan’ny “Direction de la legislation et du contentieux”, eo anivon’ny Primatiora, izay miaro ny tombontsoam-pirenena amin’ny lafiny rehetra. Naka vaditany ilay mpitory ary nisy ny fanaporofoina. Araka izany, io vaditany io no nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana ady maika satria mihevitra izy fa misy zony ao ambadika ao tokony ho tandrovana, indrindra ny filaminam-bahoaka.
Niaiky ny Minisitra fa lasa fitsangantsanganana politika no nataon’ny mpanohitra tamin’ny sabotsy teo. Ny mahagaga, hoy izy, raha vao tsy mety amin’ny mpanao politika ve izany ny didim-pitsarana iray dia taritina ny vahoaka hikomy ? Nanaja ny lalàna eto an-toerana ny Fitondram-panjakana, hoy izy, fa tsy nandingana rafitra. Ka tokony tsy taritina amin’ny fikomina amin’ny fitsarana ny vahoaka. “Rariny ny adihevitra, fa tsy rariny ny fikorontanana eto Madagasikara noho ny tombontsoan’olo-tokana” hoy ny Minisitra. Ity farany izay nanamafy fa mbola mandalo fotoan-tsarotra ny firenena, ankehitriny ka tsy tokony ho fanakorontanana no asetry izany.
Ny Fanoratana




