PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

FITOKONAN’NY PARAMEDY: Hetsika tsy ara-dalàna, mamofompofona resaka politika

Vaovao mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny fitokonana ataon’ireo sendikan’ny Paramedy manoloana ireo karazana zo sendikaly sy tombontsoa voalaza fa tokony ho azon’izy ireo, nandritra ireny ady natao tamin’ny Covid-19 ireny. Na inona na inona anefa resahina, mibaribary ny mampisy hifandraisany amin’ny raharaha politika misy eto amintsika an’ity raharaha ity, tamin’ny fahitana ny Filohan’ny Sendikan’ny Paramedy, tany amin’ny hetsiky ny mpanohitra, ny Sabotsy teo.

Misy lalàna mifehy azy ny fitokonana any amin’ny sehatr’asam-panjakana rehetra eto amintsika. Ho an’ireo mpiasam-panjakana miasa amin’ny raharaha tena ilain’ny vahoaka aza dia voarara mihitsy izany fitokonana izany. Ny teboka tsara tsindriana anefa dia tafiditra ao anatin’io raharaha tena ilain’ny vahoaka io ny sehatry ny fitsaboana. Raha izay lalan-tsaina izay fotsiny ihany, noho izany, no apetraka dia tsy tokony hisy mihitsy ny fitokonan’ny Paramedy ankehitriny satria sehatra tena ilain’ny vahoaka amin’ny andavanandro no misy azy ireo. Etsy ankilany koa anefa, ny fitokonana misy ambadika politika dia tsy ara-dalàna. Ny zava-nisy anefa ny sabotsy dia tazana tany amin’ny hetsiky ny mpanohitra ny Filohan’ny Sendikan’ny Paramedy. Midika izany fa ampifandraisin’ity mpitarika sendika ity amin’ny resaka politika tanteraka ny fitakiana sendikaly izay ataony. Tsy ara-dalàna, noho izany, io fitakian’ny Paramedy io. Ary mbola manaporofo izany ny filazan’ity mpitarika sendika ity fa tsy vonona hiroso amin’ny fifampidinihana intsony ny tenany. Tsara marihana fa ny fijanonana amin’ny asa tokony hatao eo amin’ireo mpiasam-panjakana dia misy fiantraikany any amin’ny karama.

Raha tsiahivina, nisy ny fanehoan-kevitra navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mahakasika ny fitokonana, laharana 01-HCC/AV ny 06 Aprily 2005 momba ny fandikana ny andininy faha-33 tao amin’ny Lalàmpanorenana. Fanehoan-kevitra taorian’ny “saisine” nataon’ny Praiminisitra tamin’ny andron-dRavalomanana, ny taona 2005. Araka io fanehoan-kevitry ny Hcc io, ny fitokonan’ny mpiasam-panjakana dia tokony ao anaty fanajana ireo antanatohatry ny lalàna avokoa, manomboka any amin’ny Lalàmpanorenana, ny lalàna samihafa ary ny fitsipika. Mila mipetraka koa ny fanajana ny hafa, ny fanajana ny filaminam-bahoaka, sy ny sisa. Mbola maro ireo fitsipika mifehy ny fitokonana eto amintsika, ampahany ihany ireo voalaza ireo.

Miantso ny sendika hiverina amin’ny fifampidinihana

Manoloana ny  fitakian’ny Paramedy mahakasika ny zo sendikaly, dia nanao fanambarana omaly ny Sojabe ny Paramedy, izay sady mpikambana feno anatin’ny sendika ihany koa. Nolazain’izy ireo tamin’izany fa efa nisy ny karazana fifampidinihana izay natao, notarihan’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka,  tao anatin’ny herinandro maromaro izay, izay efa nisy indroa miantoana. Nanda ny hanohizana io fifampiraharahana io anefa ny mpitarika ny Sendikan’ny Paramedy, fantatra amin’ny anarana hoe Paramedy Ralibera.

Notsiahivin’ireto Sojabe ireto fa efa misy ny fampiantsoan’ny avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika hitadiavana vahaolana amin’ity fitakiana ity. “Efa niantso ny filohan’ny Sendika ny fiadidiana ny Repoblika omaly. Hatramin’ny androany tontolon’ny andro anefa dia tsy namaly ny antso ity mpitarika sendikaly ity ary nanda tsy hiditra ao anaty fifampidinihana intsony”, hoy ny fanazavana omaly. Izy ireo izay nametraka fanontaniana ho an’ny Paramedy rehetra raha toa ka ny fahazoana ny zo no tanjona, na ilay fitokonana mihitsy. Miantso ny sendika hiverina amin’ny fifampidinihana noho izany ireto sojabe ireto.

Vonona hifampidinika ny Minisitera

Tetsy ankilany, mbola nanamafy io fanambarana io ihany koa ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Jean Louis Hanitrala, ny amin’ny tokony hanomezan-danja ny fifampiresahana rehefa misy tranga tahaka izao. Ny hodidina misy antsika amin’izao fotona, hoy izy, anaty vanim-potoana manahirana. Eo ny mbola fisian’ny valanaretina Covid-19, sy ny toe-draharaha politika misy ankehitriny izay mety hisian’ny mpanararaotra. “Vonona hatrany amin’ny fifampiresahana sy fifampidinihana hitadiavam-bahaolana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka”, hoy ny Minisitra.

Ny Fanoratana.

Fermer