Songadim-baovao
Emmo/Far Antananarivo : « Tsy handefitra mihitsy amin’ny endrika fandrobana sy fanakorontanana »
Hentitra ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo/Far raha nanao tatitra momba ny zava-nitranga ny sabotsy lasa teo. Tsy handefitra mihitsy izy ireo amin'ny endrika fandrobana sy fanakorontanana. Andraisana andraikitra avy hatrany ny fandikan-dalàna rehetra na amin'ny fitenenana na amin'ny fihetsika na iza na iza no manao azy satria ny lalàna no mametraka izany…

Nanatanteraka valandresaka niarahana tamin’ny Emmo/Far Antananarivo sy ny Emmo/Reg Analamanga, izay notarihin’ny Jly Kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Antananarivo, ny Jly Rakotondrazaka Andry, omaly tetsy amin’ny Toby Ankadilalana. Nasongadina nandritra ny fihaonana fa mbola mitohy ny lamina rehetra amin’ny ankapobeny, izay ataon’ny Emmo/Reg sy Emmo/Far, amin’ity herinandro ity, mba hisorohana izay mety ho fanakorontanana na fandrobana tampoka eto an-tanànan’ Antananarivo. Nambara mazava tsara fa ny eo anivon’ny Emmo/Far sy Emmo/Reg dia mandray andraikitra andro aman’alina, amin’ny fampandriam-pahalemana sy fametrahana filaminana eto Antananarivo sy ny manodidina ary tsy handefitra mihitsy amin’ny endrika fandrobana sy fanakorontanana. Nentanina, noho izany, ny rehetra mba hampandre ahy hatrany raha sendra misy toe-javatra mampiahiahy eny amin’ny faritra misy azy tsirairay, ary tsy hisalasala mihitsy miantso ireo laharana mahazatra eny anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena. Nohitsin’izy ireo hatrany fa ny fandikan-dalàna rehetra na amin’ny fitenenana na amin’ny fihetsika dia andraisana andraikitra avy hatrany na iza na iza no manao azy satria ny lalàna no mametraka izany. Aoka isika samy ho tony ary hanaja ny lamina apetraka, araka ny lalàna, mba hahazoantsika manao ny asa aman-draharaha andavanandro.
Niezaka nandamina…
Nanome fanazavana koa ny avy tao amin’ny Polisim-pirenena mahakasika ny fitohanana tamin’ny faritra sasany, ny andron’ny 6 febroary 2021 iny, fa noho ny fidiran’ireo fiara vaventy amin’ny ora voarara no anisan’ny niteraka ny fitohanana. Misy koa ireo fiara voatokana mahazo alalana andeha mialoha na toy ny fiara mitondra marary, « cortège », mariazy, izay miteraka fitohanana ihany koa. Nisy moa ny ezaka izay natao namahana izany ary hita fa nisava izany avy eo. Nisy koa ny fampatsiahivana ho an’ireo mpitatitra, ka nilazana fa ny fandehanana amin’ny zotra izay tsy nahazoana alalana manokana dia fandikan-dalàna. Tokony hohajaina ny bokin’andraikitra, izay napetraky ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). Marihina moa fa 27 ny fiara voatery nogiazana na natao am-balam-pamonjana, ka ny 21 amin’ireo dia tsy nahazoana alalana, ny fandehanana amin’ny zotra, ny enina kosa, dia nitondra entana tsy nahazo alalana. Na izany aza anefa, raha noraisina tamin’ny antsipiriany ny zava-nitranga, dia mety fitohanana be no niseho ary mety niteraka fikorontanana hafa tany ambadika.
Tsy nohadinoin’izy ireo ny fisaorana ny vahoakan’Antananarivo, izay nampiseho fahatoniana sy fahamendrehana tamin’ny andron’ny 6 Febroary lasa teo, izay anisany nanamora ny asan’ny mpitandro filaminana. Nisaorana manokana koa ireo mpiara-miasa rehetra, izay mivondrona ao anatin’ny Emmo/Far sy Emmo/Reg dia ny avy amin’ny Polisim-pirenena, ny Tafika malagasy ary ny Zandarimariam-pirenena, izay nampiseho ny fahaiza-manao matihanina teo am-panatanterahana ny asa ka nahafaha-nifehy sy namehy iny toe-draharaha iny, mba tsy nisian’ny fanafintohinana betsaka na dia teo aza ny fitohanan’ny fifamoivoizana.



