PolitikaSongadim-baovao
VOLAMENA 73,5KG: Notorian’ny Fanjakana malagasy ilay orinasa mitonona ho tompony
Notorian’ny Fanjakana malagasy fa manondrana an-tsokosoko harem-pirenena malagasy ny orinasa Parpia Gold and Jewels Trading, LLC any Dubai. Ity farany izay mitonona ho tompon’ilay Volamena tratra tatsy Afrika Atsimo. Mitory io orinasa io, araka izany, ny Fanjakana noho ny fanondranana an-tsokosoko, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Efa eo am-pelatanan’ny Minisiteran’ny Fitsarana Afrikanina Tatsimo ny fangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny Fanjakana roa tonta, hoy hatrany ny fanazavana. Raha tsiahivina, ny 12 Janoary teo no tokony nandeha ny raharaham-pitsarana mahakasika azy telo lahy, saingy nahemotra ny 01 Febroary teo izany. Tamin’io andro io no nanapa-kevitra ny Fitsarana tao Kempton Park fa ahemotra amin’ny 19 Febroary 2021 indray izany fotoam-pitsarana izany. Anton’ny fanemorana ny fisian’ny fitoriana manolona ny Fitsarana Avo any Afrika Atsimo izay napetraky ny orinasa iray any Dubai, mitonona ho tompon’ny volamena sy mpampiasa ireo telo lahy tratra, izay mpiara-mitory ihany koa. Andrasana noho izany izay tohin’ny raharaha satria mbola nanizingizina ny Minisitry ny Fitsarana malagasy, andro vitsy lasa izay, fa an’i Madagasikara ny volamena 73,5 kilao tratra tatsy Afrika Atsimo. Ary koa, diso tanteraka ny filazana fa tsy manana fahefana mitsara ny raharaha ny « Fitsarana Malagasy ». Efa mandeha, hoy izy, ny fifampiraharahana eo amin’ny firenena roa tonta amin’ny fampodiana aty Madagasikara ireo terantany malagasy telo sy ny volamena nentina nivoaka an-tsokosoko.




