SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY COVID-19: Nanome fitaovana mitentina 90.000 Euros ny Alemana
Manao sesilany hatrany ny fanohanan’ireo mpiara-miombona antoka avy any ivelany ny Fitondram-panjakana malagasy manoloana ny ady amin’ny valanaretina covid-19. Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka dia nametraka tetikasa nasionaly hiatrehana izany valanaretina izany. Mahakasika izany indrindra, notanterahina omaly teny amin’ny ivon-toerana GIZ Ivandry ny lanonana fanolorana ôfisialy ireo fanomezana avy amin’ny Governemanta Alemana ho an’ny Fanjakana Malagasy, izay mitentina 90.000 Euros izay ahitana « concentrateurs d’oxygène » miisa 10, arotava FFP2 miisa 50.000, « blouse » miisa 2000, fono-tanana (gant) miisa 1000 ary 36.000 « tests PCR ». Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Rakotovao Hanitrala Jean-Louis, ny Ambasadaoron’ny Repoblika Alemana SEM Michael Derus, ary ny Tale misahana ny fiaraha-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, Angela Rabozakandraina. Araka ny fanavazana, ho entina manatsara ny fandraisana sy fikarakarana ny marary mba ahafahan’ny vahoaka malagasy misitraka fahasalamana manoloana ny valanaretina covid-19 ireo fitaovana ireo. Tsiahivina hatrany fa mbola ao anatin’ny ady amin’ny covid-19 tanteraka i Madagasikara ka tokony hajaina hatrany ireo fepetra sakana rehetra napetraka hisorohana ny fiparitahan’izany valanaretina izany.
Sata (Mpianatra asa)




