Songadim-baovao

Foibe fitsarana fiarakodia : Nanatanteraka kaonferansa ho an’ireo Manamboninahitra ambony

Notontosaina ny 9 febroary lasa teo teny amin’ny Enam Androhibe ny kaonferansa momba ny asa sy andraikitry ny Foibe fitsarana fiarakodia. Ireo manamboninahitra ambony avy amin’ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena Moramanga no nanatanteraka izany…

Notanterahina ny 09 febroary lasa teo,  tetsy amin’ny ENAM Androhibe, ny kaonferansa mikasika ny asa sy ny andraikitry ny Foibe Fitsarana fiarakodia ho an’ireo Manamboninahitra ambony avy amin’ny Zandarimariam-pirenena Vahiny sy Malagasy manaraka fiofanana ao amin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-Pirenena Moramanga, mandrafitra ny andiany faha-25 ny « Cours Supérieur de Commandement ». Miisa 19 izy ireo ka Manamboninahitra ambony Afrikanina ny enina. Tafiditra indrindra anatin’ny fandaharam-piofanana arahin’ireo manamboninahitra ambony mpiofana izao kaonferansa izao.  Naompana tamin’ny fampahafantarana sy famoaboasana ny maha zava-dehibe sy ny tokony ho fantatr’ireo mpiofana, izay ho Mpifehy ny Vondron-tobim-pileovana na « commandants de Groupement » aorian’ny fiofanana  nifampizarana. Notsindriana manokana ny tontolon’ny fitsarana fiarakodia sy ireo lalàna samihafa milaza sy mamaritra izany ary ny andraikitra sahanin’ireo « vérificateurs techniques automobiles », izay teknisianina manampahaizana manokana.  Nitarika ny ekipan’ny Foibe Fitsarana fiarakodia nandritra io kaonferansa io  moa ny Kly Rasambomanana Yvon Patrick, « Directeur des Opérations Routières » notronin’ny Kly Razafimandimby Dieu Donné, sy ireo lehiben’ny Sampandraharaha sy ny ivon-toerana fitsarana fiarakodia, toy ny eny Betongolo.

Fermer