SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FITSINJOVANA NY VAHOAKA: Arahi-maso ny fanararaotana amin’ny vidim-bary eto an-toerana

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fitsinjarana ny vary tsinjo sy ny menaka tsinjo ary ny Kaly tsinjo ny Filoha Andry Rajoelina teny Ankorondrano Andrefana, omaly. Amidy 1200 ar manomboka izao ny vary tsinjo raha toa ka 1500 ar izany teo aloha. Nozarain’ny Filoha maimaimpoana kosa ny vary 5 kg isan’olona omaly ho an’ny fanombohana ofisialy. Fotoana izay nilazany fa arahi-maso ireo trangana fanararaotana amin’ny vidim-bary eto an-toerana.

Fanapaha-kevitra noraisin’ny Filoha hitsinjovana ny vahoaka manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena ny vary tsinjo. Nanamarika kosa ny Filoha fa tsy tokony hiakatra be tahaka ny amin’izao fotoana izao ny vidim-bary vokatra eto an-toerana. Nanome toromarika manokana ny Minisitry ny Varotra sy ny indostria Lantosoa Rakotomalala ny Filoham-pirenena ny hanaovana fivoriana miaraka amin’ny mpandraharaha sy ny mpisehatra rehetra amin’ny vary hamaritana miaraka ny tena tokony ho vidim-bary marina. Voakasik’izany avokoa ny mpamokatra, ny mpanangona, ny mpamongady, mpaninjara. Misy ny fanararaotana tsapa ao amin’ny io lalana amin’ny famoahana ny vary mandrapahatonga eny amin’ny mpanjifa io ka tsy maintsy arahi-maso, araka ny baikon’ny Filoha. Ho faritana ao anatin’ny fivoriana araka izany ny tombony sy ny vidin’ny fiantohana ny vary. Tsy manakana ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny vary tsy haka tombony ny Filoha saingy tsy tokony hisy ny fanararaotana ny vahoaka.

Efa nanao kajy ihany koa ny Fanjakana ka tsy tokony hihoatra ny 5000ar ny litatry ny menaka sakafo eny an-tsena raha toa ka 5600 ar izany amin’izao fotoana izao. Amidy 4000 ar kosa ny litatry ny menaka sakafo eny amin’ny tsena mora. Fanapaha-kevitra entina hitsinjovana hatrany ny vahoaka izany. Intelo isankerinandro no mivoha ny tsena mora, dia ny alatsinainy, alarobia, sabotsy. Ho an’ny boriboritany fahatelo, manodidina ny 2400 isa ireo olona hisitraka ny vary tsinjo isankerinandro.

Nisokatra omaly ny Kaly Tsinjo

Nosokafana omaly ihany koa ny Kaly tsinjo ka nanombohana izany ny teny Ankorondrano Andrefana. Miisa 60 kosa ireo hosokafana eto andrenivohitra, araka ny fanazavana.  Ny Filoha izay nanome baiko ny hampitomboana izany ho 100. Toerana natao hisakafoan’ny fianakaviana sahirana ny Kaly tsinjo. Maimaimpoana ny fisakafoana ka ny Fokontany no mizara ny “ticket” hahazoana misitraka izany. Tsapan’ny Filoha ny fahasahiranan’ny fianakaviana marefo niatrika ny covid-19 ka paikady narosony ny fanomezana sakafo masaka sy am-pitiavana ireo tena sahirana amin’ny alalan’ny Kaly Tsinjo. Nanome baiko manokana ihany koa ny Filoha mba ho sakafo madio sy matsiro ary miovaova no omena ireo fianakaviana sahirana. Misy, araka izany, ny “menu” manokana miovaova isan-kerinandro ho azy ireo. Ho an’ny omaly, « riz cantonais sy akoho sauce » no naroso. Manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ny mpahandro sy ny mpizara ny sakafo. Manao fono-tanana, manao aron’akanjo sy manao sarondoha. Mahazaka olona 100 isanandro farahafakeliny ny ivon-toerana eo Ankorondrano Andrefana. Misokatra alatsinainy hatramin’ny zoma ny toerana. Manomboka amin’ny 11 ora atoandro hatramin’ny 2 tolakandro, ary toy izany avokoa ireo toerana rehetra ahitana ny Kaly Tsinjo manerana an’Antananarivo.

Fermer