Songadim-baovaoToekarena
FANITSIANA NY IRSA: Fitsinjovana ireo mpiasa kely karama
Nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fandaharana tsy ho tompon-trano mihono omaly, no nitondran’ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo, Mpitondra tenin’ny Governemanta, sady Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, fanazavana mahakasika ny IRSA izay miteraka resabe tato anatin’ny andro maromaro. Anisany nambarany tao anatin’izany fa tsy mandoa hetra ireo mpiasa kely karama.
Ezaka lehibe no nataon’ny Fitondram-panjakana ho fitsinjovana ny mpiasa malagasy sy ny olom-pirenena rehetra manoloana ny fiantraikan’ny valanaretina covid-19, hoy Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, omaly. Nasiam-panamboarana, hoy izy, ny IRSA izay voafaritra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2021. Fanovana izay manana foto-kevi-dehibe hanamaivanana ny hetra arakaraky ny vola raisin’ny mpiasa tsirairay. Adidy amin’ny maha olom-pirenena, hoy izy, ny fandoavana ny hetra, kanefa notsinjovin’ny Fanjakana manokana kosa ireo mpiasa kely karama. Antony tsy hakana hetra na IRSA ireo mpiasa mikarama latsaky ny 350 000 ariary raha toa ka nakana izany teo aloha izay mitentina 2 000 ariary. Ny tanjona amin’izany hoy izy dia ny hampitomboana ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny fampihenana ny hetra aloany. Nanao ezaka manokana ny Fitondram-panjakana na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza ny firenena. Misy fiantraikany amin’ny kitapom-bolam-panjakana tokoa mantsy ny fikitihana sy ny fanenana ny hetra kanefa efa vinan’ny Filoha Rajoelina Andry ny hanatsara izany sosialim-bahoaka izany ka dia tsy maintsy nirosoana izany.
Mikarama mihoatran’ny 350 000 ariary
Nandiso tanteraka ny filazana mahakasika ny fiakaran’ny hetra aloan’ny mpiasa malagasy izay mikarama mihoatran’ny 350 000 ariary ihany koa ny minisitra, izay nilazany fa ny mifanohitra amin’izany no misy ankehitriny satria raha 20% izany teo aloha dia 5% monja sisa ho an’ireo mandray karama eo anelanelan’ny 350 000 ariary ka hatramin’ny 400 000 ariary. 10% izany ho an’ireo mandray karama 400.000 ariary ka hatramin’ny 500.000 ariary. 15% kosa ny IRSA ho an’ireo mandray 500.000 ariary ka hatramin’ny 600.000 ariary. Ny mandray karama 600.000 ariary no mandoa IRSA 20% manomboka izao. Ity farany izay nitondrany fanazavana manokana satria tsy ny 20% mivantana no tapahana amin’ireo mikarama mihoatra io sorabola io fa ho tsinjaraina manaraka ireo salanisa isanisany amin’ny kajy karama malagasy. Izany hoe, misy hapahany amin’ny karama tsy handoavana hetra, misy hapahany andoavana 5% hatramin’ny 20%, izay kajy efa nataon’ny Minisiteran’ny Toekarena, fa hampidina ny hetra aloan’ny mpiasa hatrany amin’ny 59%. Izany no natao dia mba hifampitsinjovana amin’ireo mpiasa mandray karama kely sy ireo orinasa, hoy hatrany ny minisitra.
Sata (Mpianatra asa)



