KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
MIHAMY MADA FASHION II: Nampisongadina ny talenta malagasy sy ny famoronana
Telo andro nisesy no niarahan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ireo mpisehatra amin'ny haihaingo, bika aman'endrika, sy ireo mpitsidika, nifampitaona tetsy amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Tratra ny tanjona, nisongadina ny haihaingo sy ny famoronana malagasy tamin’ireo fampirantiana, sy filatroana ary ireo velan-kevitra samihafa natao.
“Nampitombo ny fahalalahan’ny olona anay ny Mihamy Mada Fashion tamin’ny heritaona. Tao anatin’ny heritaona dia nitombo ny olona nanjifa ny vokatra novokarinay. Izany no mbola naharesy lahatra anay handray anjara tamin’ity taona ity”, hoy Marie-Annick, mpamorona sady mpitantana ny Art Coiffeur Star. Ity farany izay misehatra eo amin’ny tontolon’ny taovolo sy ny randrana, miainga amin’ny famoronana isan-karazany. Tsy izy ihany fa saika nilaza ho afapo daholo ireo tranoheva rehetra nandray anjara tamin’ny hetsika. Maro ireo mpitsidika tonga tao an-toerana. Raha ho an’ny andro farany omaly aza, mbola olona marobe ireo taraiky teo ivelan’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena noho fahafenoan’ny toerana nahafahana nandray olona tao anatiny. Tsara ho fantatra mantsy fa hentitra ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana nandritra ireo telo andro nanatontosana ny hetsika. Dikany, tratra tanteraka ny tanjon’ny mpikarakara, dia ny Minisiteran’ny serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ity Mihamy Mada Fashion andiany faharoa ity.
Mpanakanto 22 nahazo mariboninahitra
Raha tsiahivina, niisa 50 ireo tranoheva nandray anjara tamin’ny hetsika tamin’ity andiany ity. Ka ankoatra ireo tranoheva vao sambany nandray anjara, dia nampiavaka ity andiany ity koa ireo zava-baovao nentin’ireo tranoheva efa nandray anjara tamin’ny heritaona. Tetsy ankilany, tsy nataon’ny Minisitera ho ambanin-javatra ny ezaka vitan’ireo efa nahavita be teo amin’ny haihaingo sy ny asa famoronana. Niisa 22, noho izany, ireo nahazo mariboninahitry ny Kanto sy ny soratra ary ny Kolontsaina, ka ny efatra amin’ireo no nahazo ny “Commandeur de l’ordre des arts, des letters et de la Cultures”, ny fito amin’ireo kosa nahazo ny “officier de l’ordre des artes, des letters, et de la culture”, ary ny 11 ambiny kosa nahazo ny “Chevalier des arts, des letters et de la culture”. Ireo mpandray anjara rehetra kosa dia nahazo mari-pankasitrahana manokana avokoa. Izany rehetra izany no natao dia mba ho fanohanana ireo mpikaroka sy mpamorona malagasy hatrany. Nalaina nisaraka ny rehetra tamin’ny andro farany omaly, niaraka tamin’ny mpanakanto Nael sy Mr Sayda ary ny tarika Mage 4. Nanome toky kosa ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo teo am-pamaranana fa hotohizana hatrany hetsika isan-taona, ho fanohanana ny haihaingo sy ny famoronana malagasy.



