PolitikaSongadim-baovao
FAMPANDROSOANA: “Ao an-damosin’ny Filoha Rajoelina hatrany ny TGV”
Hetsika an-kalamanjana voalohany nokarakarain’ny Antoko TGV tamin’ity taona ity ny fambolen-kazo natao ny sabotsy lasa teo. Mbola tazana tao avokoa ireo mpisehatra nahafantarana ity antoko ity hatramin’izay. Izy ireo izay manamafy hatrany ny fanohanana ny Filoha Andry Rajoelina. Na inona na inona, hoy izy ireo, sedra mety ho misy ny firenena, mitoetra ho ao an-damosin’ny Filoha Rajoelina hatrany ny TGV sy ireo mpanohana maro be.
Olom-boafidy, olom-boatendry, Governora, mpikambana amin’ny Governemanta, Filohana Andrimpanjakana, izany no tonga niray hina tamin’ny hetsika fambolen-kazo nokarakarain’ny Antoko Tanora Malagasy Vonona na TGV ny sabotsy teo. Tsy fampisehoan-kery no tanjona tamin’ny hetsika, raha ny fanambaran’ny Sekretera nasionalin’ny Antoko, Hery Rasoamaromaka, fa kosa hamondronana ny hery ho fanohanana ny Filoha Rajoelina, ankoatran’ ny fiarovana ny tontolo iainana. Mbola nohamafisin’ny Mpitondra tenin’ny TGV izany, Atoa Pierre Houlder, izay nilaza fa ao an-damosin’ny Filoha Andry Rajoelina hatrany ny TGV amin’ireo asa fampandrosoana rehetra izay ataony. Tsy hisy hahasakana izany, hoy izy, raha mbola mijoro ny antoko. Izy izay nanentana ireo rantsamangaikan’ny TGV rehetra any ifotony mba samy hihetsika, araka izay azo atao amin’ny fanohanana ny Filoha.
Hanao kongresy
Tetsy ankilany, nanamafy ireo lohandohany eo anivon’ity antoko ity fa mijery lavitra ny TGV. Fotoana izay nilazan’izy ireo fa efa hisy ato ho ato ny kongresy ho ataon’ny antoko. Izany dia hanomboka any ifotony, hitohy isak’ireo rantsamangaika isan-tsokajiny izany ary kongresy nasionaly kosa no hamarana azy.
Tsy hetsika politika fa hetsika sosialy no nataon’ny Antoko TGV. Efa nahafahana nahita soritra ny mety ho mbola endrikendriky ny fanohanana ny Filoha am-perinasa ankehitriny anefa izany, satria ankoatra ny TGV dia mbola maro ireo antoko sy fikambanana hafa ao aorian’ny Filoha Rajoelina. Tokony ho fantatry ny mpanohitra anefa izany satria raha ny fomba fijerin’izy ireo dia toa tsy misy mpanohana intsony izany Andry Rajoelina izany.
Ny zavatra tsikaritra aloha toa somary nohalefahana ny fanehoan-kevitra tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Na ilay teny natao tamin’ny “fitsangantsanganana” teny Imerikasinina tamin’ny sabotsy heriny hoe hihamafy kokoa ny hetsika ary hiditra aty amin’ny “centre ville” aza toa tsy hita akory.
Ny Fanoratana.




