Songadim-baovao

HCC Ambohidahy : Nanatitra ny fanambaram-pananany ny Seg Jly Ravalomanana Richard

Amin’ny maha olon’ny lalàna ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard dia tonga nanatitra ny taratasy fanambaram-pananany, tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba momba ny lalàmpanorenana, ny tenany. Ankoatra izay, efa nomeny toromarika ny mpifehy isan'ambaratonga, hamita haingana ny fanambaram-pananany…

« Olon’ny lalàna ny Zandary », hoy ny Seg Jly Ravalomanana Richard.

Ny tomponandraikitra ambony no fitaratra ! Tonga nanatitra tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy fanambaram-pananany tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tetsy Ambohidahy, ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy sasany. Voafaritry ny lalàna manan-kery ny tsy maintsy hanaterana izany antontan-taratasy izany ho an’ireo tomponandraikitra ambony eto amin’ny Firenena. Hatramin’ny nisian’ny fanaovana izany, dia volana janoary, farafatarany febroary, toy izao no nataony izao hatrany ny nanaterany ny fanambaram-pananany teny amin’ny Bianco. Ankehitriny, rehefa minisitra izy dia eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana no manatanteraka izany.

Amin’ny maha olon’ny lalàna ny zandary, dia manaraka ny voafaritry ny lalàna, araka izay azo atao.  Ny tomponandraikitra ambony no manome ohatra ho amin’izany, toy ity fanaterana fanambaram-panana natao ity. Nandritra ny tafa fohy nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard fa «  tsy mba misy atahorany ny nahazoany ny fananany rehetra. Ny zandary tokony hanao izany, dia efa nomeny toromarika ny mpifehy isan’ambaratonga, hamita haingana ny fanambaram-pananany ». Ny toe-javatra toa izao matetika no tsy ampy teo amin’ny Fitondrana teo aloha. Irariana ny hanaovan’ireo tomponandraikitra ambony eto amin’ny Firenena hanao tohivakana amin’ny fanambaram-pananany eny amin’ireo toerana tokony hanatontosana izany.

Fermer