Songadim-baovao

Fikambanana Tetikasa ankizy krismasy : Ankizy sahirana anarivony nizarana fanomezana

Notanterahina teny Antsahamanitra, ny sabotsy lasa teo, ny fanokafana ny fanombohana ny fizarana fanomezana manerana an’i Madagasikara ho an’ireo ankizy sahirana. Ankizy anarivony no nisitraka fizarana fanomezana avy amin’ny Fikambanana Tetikasa ankizy krismasy…

Marobe ireo ankizy tonga tety Antsahamanitra, ny sabotsy lasa teo.

Notontosaina afakomaly tetsy Antsahamanitra, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ny fizarana fanomezana manerana an’i Madagasikara ho an’ireo ankizy sahirana.  Ny  Fikambanana « Tetikasa ankizy krismasy » na ny « TAK » no angady nanana sy vy  nahitana.  Hatramin’ny taona 2003 niforonany,  efa ankizy 5 hetsy sy 1 tapitrisa eo ho eo no nisitraka ny fanomezana. Amin’ity taona 2021 ity dia fanomezana 35 kaontenera sy boky fito kaontenera no hozaraina. Nanampy betsaka tamin’ny fampidirana ireo fitaovana ireo eto Madagasikara ny Fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny fanomezana tsy fandoavana fadintseranana. Nankasitraka izany fihetsika feno fitiavana ny ankizy izany ny Fikambanana TAK. Tonga nisolo tena ny Fitondram-panjakana ny Jly  Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, noho izy nanampy tamin’ny fampidirana teto Madagasikara ny entana hozaraina sy amin’ny maha zanak’Ambohimanga Rova azy sy Atoa Randriamananjara Philibert, Filoha nasionalin’ity fikambanana ity eto Madagasikara. Tonga nanotrona azy ny Tale jeneraly ao amin’ny minisiteran’ny mponina sy ny solontenan’ny Tale, miandraikitra ny asa sosialy, eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Nisaotra ny Fikambanana TAK amin’ny fitsinjovana ny ankizy sahirana,  ny Jly Ravalomanana Richard. « Ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika  Andry Rajoelina, dia miezaka araka izay tratrany mitsinjo ny vahoaka malagasy, toy ny fivarotana vary sy menaka mora ary ny fizaràna « kaly tsinjo » farany teo. Ataony am-pitiavana izany ary ankasitrahana ny Fikambanana TAK, manao toy izany koa », hoy izy.

Isan’ireo nisolo tena ny Fitondram-panjakana ny Seg Jly Ravalomanana Richard.

Nanentana ny rehetra, mba hiala amin’ny fitiavan-tena ny Seg, izay tsy mendrika ny maha kristianina,  fa hanao toy ny Fitondram-panjakana sy ny Fikambanana TAK. Noho izany, aoka tsy ny tombontsoa manokana na politika no ezahina sy katsahina amin’ny fomba rehetra na mety hanimbana ny mpiray Tanindrazana aza izany. Ireo ray aman-drenin’ny ankizy koa dia tsy tokony hivarotra ny fanomezana nomena, araka ny toromarika avy amin’ny mpanome.

Fitsinjovana ny mpiara-belona…

 

Naneho ny hafaliany tanteraka ireo ankizy nisitraka fanomezana.

Ny vahiny aza mitsinjo ny zaza malagasy, hoy hatrany ny Seg, ka izay hahasoa sy hahasambatra ny vahoaka malagasy no andeha ho katsahina. Hiezaka izy sy ny solontenan’ny Minisitry ny mponina, hanampy amin’ny fangatahana « franchise douanière » amin’ny entana anaovana maimaimpoana sy am-pitiavana, asa soa ho an’ny vahoaka malagasy toy izao. Araka ny kabary nataon-dRandriamananjara Philibert, Filoha nasionalin’ny TAK eto Madagasikara, izay notronin’ireo Malagasy mpandrindra ny Fikambanana eto Afrika sy Madagasikara                             fa « ny atao rehetra dia atao am-pitiavana tanteraka sy tsy mila tambiny araka ny foto-pisainana maha kristianina ary arahim-bavaka hatrany ». Ny fepetra ho an’ny homena ny fanomezana, dia « tsy azo amidy » ny entana, ka raha omena olona dia « atolotra maimaimpoana, tsy misy sandany na tambiny ». Nasongadiny fa ampiarahana hatrany amin’ny fizarana ny fanomezana, ny fitoriana ny filazantsara amin’ny ankizy sy fizarana boky fianarana ary boky ara-pilazantsara. Irariana, araka izany,  ho maro  ny fikambanana manampy ny mpiara-belona aminy toa izao.

Fermer