SamihafaSongadim-baovaoSosialy

PARAMEDY – FITAKIANA NY IES: Namaly ny antso ny Fanjakana, hahazo ny anjarany ireo mbola tsy nisitraka

Taorian’ny fanambarana izay nataon’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, niroso tamin’ny fijerena ny lisitr'ireo mbola tsy nisitraka ny "Indemnité d'éloignement Spéciale" (IES) izay hivoaka miaraka amin’ny karama volana Marsa izao ny minisitera.

Tsy niandry ela fa niroso avy hatrany  tamin’ny fitsirihana ny lisitr’ireo paramedy mbola tsy nisitraka ny IES na ny « Indemnité d’éloignement Spéciale » ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, taorian’ny fihaonana teo amin’ny Minisitra tomponandraikitra sy ireo solontenan’ny Sendika ny Alatsinainy lasa teo. Fihaonana izay nanambaran’ny minisitra fa hivoaka miaraka amin’ny karama volana Martsa 2021 ho avy izao ny tambin-karaman’ireo rehetra mbola tsy nisitraka izany. Araka ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana dia ny taona 2018 ka hatramin’ izao no hisitrahan’ireo mbola tsy nisitraka ny anjarany, eo ihany koa hoy ny  minisitra, ny fanomezana ilay vola mitentina 97.200 ariary na ilay hantsoina hoe « motivation » ho an’ireo paramedy rehetra manana IM na « numéro matricule » mbola tsy nahazo io sorabola io.

Omaly dia nisy ny fampitam-baovao teo anivon’ny minisitera miahy ny Fahasalamam-bahoaka, izay nanambaran’ny Dr Rasamoelina Fanjambololoniaina Dominique, Sekretera Jeneraly, fa efa miroso any amin’ny pitsopitsony maro samihafa ny amin’ny fikarakarana sy fanafainganana ny hivoahan’ny  IES ara-potoana ny minisitera ankehitriny. Tamin’izany no nilazany fa ny Ministeran’ny Fitantanam-bola no kaomisionina manokana miara-misalaha amin’izy ireo manamora sy manafaingana ny fikirakirana ny dingana na ny « Formalité administrative » rehetra ahafahana manefa izany ara-potoana.  Tsy nitazam-potsiny ny ezaka nataon’ny paramedy nandritra ny vanimpotoana niatrehana ny valanaretina Covid-19 ny Fanjakana fa nitady ny vahaolana rehetra, hoy hatrany izy. Tsy nikely soroka tokoa mantsy izy ireo nandritra ireny fotoan-tsarotra nolalovan’ny firenena fa niroso teo aloha hatrany, nandray an-tanana sy nikarakara ireo marary hianjadian’ity aretimandoza ity.

Mihaino ny sendika ny Fanjakana

Ankilan’izay , dia naneho ny heviny ihany koa Dr Rakotoarison Vincent, sendikalista sady lehiben’ny Fitaleavana miady amin’ny Aretina tsy mifindra, eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ity farany izay naneho ny fomba fijeriny manokana sy nitondra fanampim-panazavana manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana, ny amin’ny  fangatahana teo anivon’ny Sendikan’ny Paramedy. Tao anatin’ny fanehoan-kevitra nataony no nilazany fa miasa ny Fitondram-panjakana ary miara-dalana amin’izay ihany koa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nanamafy ihany koa ity farany fa zo sendikaly ny manao ny fitakiana am-pahamendrahana, tsy misy ambadika politika na fanakorontanana.

Tsiahivina fa Veliranon’ny Filoha Rajoelina Andry tokoa ny hanao laharam-pahamehana ny Fahasalam-bahoaka. Antony nahatonga azy tsy nanosi-bohon-tanana ny sendikan’ny Paramedy fa avy hatrany dia namaly ny antso sy nanome baiko ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ny hamahana ny olana farany izay haingana indrindra. Porofo izao fa Fanjakana mandala sy manaja ny zo fototry ny rantsana sendikaly sy ny fahafahana maneho hevitra ary ny demokrasia ny Fitondrana mijoro ankehitriny.

Sata(mpianatra asa).

Fermer