PolitikaSongadim-baovao

GOVERNEMANTA JAPONEY: Vonona hanohana ny fanatanterahana ny PEM

Efa ela no nisy ny fifandraisana ara-pirahalahiana teo amin’ny Firenena malagasy sy I Japon, ary mbola hohamafisina hatrany izany, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Efa maro ireo fotodrafitrasa nataon’izy ireo teto amin’ny Firenentsika, hoy izy, toy ny tetikasa Ambatovy, ny fanaovana seranan-tsambo any Toamasina, fanamboarana sekoly. Ankehitriny, fantatra fa maneho fahavonona ny hiara-hanatanteraka ny “plan emergence de Madagascar” ary hanohy hatrany ny fanohanana ny Governemanta malagasy amin’ny fanamby natao any Atsimo ny Firenena japoney, raha ny nambaran’ny Ambasadorony miasa eto amintsika.

Fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fampahafantarana ireo zava-bita ary ny ho fanohizana ireo tetikasa izay mbola ho tanterahina no vontoatin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy ny Masoivohon’I Japon monina sy miasa eto amintsika, omaly. Nambaran’Atoa Higuchi Yoshihiro ihany koa, fa ny Governemanta Japoney dia vonona ny hanohana hatrany ny firenena Malagasy amin’ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena mba hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy. Ary efa fantatra koa ankehitriny ny fanomezan’ny Japoney fanampiana maika mitentina 3 tapitrisa dolara ho valin’ny fiantsoana maika izay natomboka tamin’ny 18 janoary 2021 iarahan’ny Governemanta malagasy sy ny Firenena mikambana mikasika ny fanampiana ny vahoaka kere any Atsimo.

Etsy ankilany, hohatevenina ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ireo parlemanteran’ny Firenena roa tonta, raha ny voalazan’izy ireo. Tontosa omaly alarobia faha 17 Febroary 2021, ny fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana teny amin’ny Lapa Maintso Anosikely izay nataon’I Atoa Higuchi Yoshihiro, Ambasadaoron’i Japon, miasa sy monina eto Madagasikara.

Néla (mpianatra asa).

Fermer