Songadim-baovaoToekarena

ADY AMIN’NY FANONDRANANA HARENA VOAJANAHARY: Nanolotra 2 tapitrisa dolara ny Governemanta amerikanina

“Ny fanondranana ny harena voajanahary sy ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna dia heloka mitarika fahaverezana vola an’arivony tapitrisa dolara ary mandrava ny harena tokana aman-tany eto Madagasikara sy manimba ny hoavin’ny vahoaka malagasy” hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID Dunlop. Antony naharesy lahatra ny birao iraisam-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fampiharana ny lalàna ao amin’ny Departemantam-panjakana Amerikana (INL) hanolotra famatsiam-bola anankiroa izay mitetina iray tapitrisa dolara avy, hiadiana amin’ny fanondranana harena voajanahary sy ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Tany Maroatsetra no nanambaran’ny Masoivoho Amerikana ireo famatsiam-bola ireo nandritra ny lanonana izay natao ny 17 febroary teo, ary natrehan’ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) eto Madagasikara John Dunlop sy ny Talen’ny Rafitra Miady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra Elutin Razafiarison ary ny Lehiben’ny Rafitra Mpandrindra ny Ezaka ho an’ny Diplomasia Maitso Herintsitohaina Razakamanarivo.

Amin’ny alalan’ireo famatsiam-bola ireo, ny Governemanta amerikana sy ny Governemantan’i Madagasikara ary ny vahoaka malagasy dia toy ny ‘mpirahalahy mianala’ amin’ny fiarovana ireo zavaman’aina tsy fahita firy sy tandindomin-doza, sy amin’ny fampihenana ny asan’ireo olon-dratsy mpanao fitrandrahana tsy ara-dalana » araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny USAID Dunlop.

Araka ny fanazavana, ny iray amin’ireo famatsiam-bola ireo dia natolotry ny INL ho an’ny Wildlife Conservation Society sy ny Center for Advanced Defense Studies ho fanatsarana ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsarana ho fiarovana ireo hazo any avaratra atsinanan’i Madagasikara, ary ho fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Ny famatsiam-bola faharoa dia nomena ny TRAFFIC sy ny Durell hanampiana azy ireo amin’ny fampihenana ny fanondranana sokatra sy gidro ary ireo biby hafa tandindomin-doza eto Madagasikara. Ireo tetikasa roa ireo dia samy haharitra roa taona ary tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Governemanta amerikana hiadiana amin’ny fanondranana tsy ara-dalana izay antsoina hoe Eliminate, Neutralize, and Disrupt (END) Wildlife Trafficking Act

Fermer