PolitikaSongadim-baovao
HETSIKY NY MPANOHITRA : Vonona ny handray andraikitra ny mpitandro filaminana
Tsy hihemotra amin’ny hetsika kasaina hatao ny sabotsy izao ny mpanohitra. Etsy ankilany, manamafy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny fa tsy ara-dalàna ary tsy nahazoana alalana io hetsika ketrehin’ny Solombavambahoaka Tim atao io. Manoloana izany, nilaza ho tsy maintsy handray ny andraikitra tandrify azy ireo mpitandro filaminana mba hisorohana ny trangana fanakorontanana sy ny fandikan-dalàna ataon’ny olona sasantsasany.
Tany tan-dalàna i Madagasikara. Ary ny olona rehetra mitoetra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara dia tokony hanaja sy hanaraka ny lamina rehetra hapetraky ny Fitondram-panjakana, ary izay voalazan’ny lalàna manan-kery eto amintsika. Hatreto, tsy misy lalàna manery ny Solombavambahoaka hanao tatitra eo Ambohijatovo. Ekena fa ny fanaovana tatitra amin’ny maha Depiote dia voafaritry ny lalàna mazava tsara, ary adidin’ny Solombavambahoaka mihitsy no manao izany. Fa raha toa ka misy ambadika politika sy miharo fanakorontana tahaka ny ataon’ny Depioten’ny fanoherana ankehitriny kosa, rariny raha andraisana fepetra. Izany indrindra no nahatonga ny fivoriana fifanakalozam-baovao, toy ny fanao isan-kerinandro, teo anivon’ny « Organe mixte de conception élargi (OMC) » sy ny « Etat-major mixte opérationnel (EMMO) » nosy izay nahitàna ireo tomponandraikitra ambony misahana ny fiarovana sy ny filaminam-bahoaka ary ny fitsarana , omaly 18 janoary 2021, tetsy amin’ny Toby « Jeneraly Ratsimandrava Richard » eo Andrefan’Ambohijanahary.
Voapetraka ny paikady
Nandritra izany fivoriana izany no nanapahana ireo toromarika sy paikady mifanaraka amin’ny toe-java-misy entina hisorohana ny fikorotanan’ny filaminana, araka ny nambaran’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, no sady mpitarika ny EMMO.NAT, ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa. « Tsy mitondra soa hoan’ny firenenentsika ny korontana. Hoan’ireo izay mieritreritra ny hanararaotra hanao fandrobàna na fanimbana zavatr’olona dia ho raisinay mpitandro filaminanana ho toy ny olon-datsy sy fahavalom-pirenena izy ireny », hoy ity tomponandraikitra ity. Hita, hoy izy, fa tsy nahazoana alalana ny famoriam-bahoaka kasaina ny asabotsy amin’ny toerana voalaza, koa efa vonona ny handray andraikitra ny Mpitandro filaminana na eto Antananarivo-Renivohitra na ny manerana ny Nosy. Etsy ankilany, efa voapetraka ny paikady sy tetikady hisorohana ny fikorontanana sy ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary ny fandrobàna. « Raha sanatria anefa misy izany dia handray andraikitra araka ny voafaritry ny lalàna ny Mpitandro filaminana », hoy ny fanazavana.
Tsy namaly fiantsoana ?
Hisy, noho izany, fepetra manokana ho raisin’ny mpitandro filaminana amin’io fotoana io. Notsindrian’ny Komandin’ny zandarimariam-pirenena fa tsy voatery hisy ny fepetra fisamborana fa miankina amin’izay zava-misy eny an-kianja ny fanapahan-kevitra raisina mifanaraka amin’izany. Fotoana izay nanipihan’ity tomponandraikitra ity fa ireo izay nomena fiantsoana eny anivon’ny mpanao famotorana dia tokony hiseho. Raha sanatria minia tsy manohina sy manatanteraka dia ho samborina araka ny filazàna fitadiavana na “avis de recherche”.
Ny Fanoratana.
Nanao fanambarana ny teo anivon’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy, omaly. Izy ireo izay manainga ny mpiray tanindrazana hanaja ny Soatoavina sy ny Fihavanana ka hampitsahatra avy hatrany ny fifampihantsiana, ny teny mandratra, ny fifanaratsiana, ny fampielezana tsaho amin’ireo haino aman-jery sy ny tambazotran-tseratsera, na avy aiza na avy aiza, izany. “Miantso antsika hampiseho hatrany Fitoniana mba hitandroana ireo dingana ara-demokratika efa nodiavina, ka hahay haka lesona amin’ny lasa mba tsy hiverenana indray ao anaty krizy tsy hahitan’ny Firenena sy ny vahoaka tombontsoa velively”.




