PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERANDOHOLONA : Vonona handinika lalina ny tolo-dalàna mifehy ny ady atao amin’ny kolikoly

Anisan’ireo tolo-dalàna handalo eo anivon’ireo Loholona vaovao etsy amin’ny Lapa maitson’Anosikely ny mahakasika ilay tolo-dalàna laharana 01-2020/PL manova sy mameno ary manafoana ny andininy sasan-tsasany ao amin’ny lalàna laharana n°2016-021 natao ny 22 Aogositra 2016 mahakasika ny «pôle anti-corruption » izay naroson’ny Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Idealison. Omaly, nanamafy ny fahavononany handray sy handinika ity tolo-dalàna ity ny teo anivon’ny Antenimierandoholona, tamin’ny alalan’ny filohany, nandritra ny fandraisan’ny Birao maharitry ireo mpikambana ao amin’ny « système anti-corruption », izay notarihin’ny Rtoa Rabenarivo Sahondra Filohan’ny « Comité pour la sauvegarde de l’intégrité » tetsy Anosy. Nanamafy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana, fa vonona izy ireo ny handinika lalina ity tolo-dalàna ity mba ho araka ny tombotsoam-pirenena ny fandinihana izany. Nanamafy ihany koa izy fa manan-danja lehibe tokoa eo amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena ity tolo-dalàna mifehy ny ady atao amin’ny kolikoly ity satria antoka iray mampisy ny fifampitokisana amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ireo Masoivoho izay miara-miasa amintsika ankehitriny.

Ilaina ny manatsara ny lalàna

Tsara marihana fa fihaonana voalohany iny omaly iny nahafahan’ireto mpikambana ao amin’ny « système anti-corruption » ireto nanome fanazavana tamin’ireo mpikambana vaovao izay mandrafitra ny birao maharitra teto anivon’ny Antenimierandoholona ny mahakasika ity tolo-dalàna ity. Nitondra fanazavana amin’ny fomba fahitan’izy ireo ny fanitsiana vitsivitsy izay nolaniana teny anivon’ny Antenimierampirenena, ireto rafitra ireto. Nambaran-dRtoa Rabenarivo Sahondra fa « ilaina tokoa ny fanatsarana ny lalàna hanatsarana ny tontolo entina miady amin’ny kolikoly ary vonona ny hitondra ny anjara biriky amin’izany izahay satria izany no antoka amin’ny fampandrosoana ny firenena”. Ilaina, hoy izy, ny tokony handinihina tsara ireo fanovana ireo satria ny tanjony dia ny hirosoana amin’ny ady atao amin’ny kolikoly ary tokony hifanaraka amin’izany ihany koa ireo fanovana atolotra amin’ireo fanitsiana atao amin’ity tolo-dalàna ity.

Fermer