SamihafaSongadim-baovaoSosialyToekarena

TAOM-PAMBOLENKAZO 2021: Zana-kazo maherin’ny 1 200 isa voavoly teny Andranovelona

« Tsikaritra isan-taona fa tena ilaina tokoa ny fambolen-kazo, satria rehefa voavadika matetika ny tany isaky ny mamboly hazo, dia mihatsara ny kalitaony ary mihamitombo isan-taona araka izay ny habetsaky ny rano entiny. Mitombo araka izay ihany koa ny rano hampiasaina ao amin’ny ozinina. Noho izany, tsara sady ilaina tokoa ny manohy ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’izao fambolen-kazo izao » hoy Andriamatoa Philippe Lombard, talen’ny ozinina SEMA Eau Vive Andranovelona, nandritra ny hetsika fambolen-kazo omaly, izay fanaon’ny Orinasa Star isan-taona.

Ho an’ny taom-pambolen-kazo 2021, dia ny ekipan’ny ozinina Andranovelona, ny ekipan’ny QHSE (Kalitao, Fitandroana ny Fahadiovana, Fiarovana ary ny Tontolo Iainana) avy amin’ny foiben’ny STAR, ny ekipan’ny ozinina Andraharo no nisolo tena ny mpiara-miasan’ny STAR. Raha oharina tamin’ny taon-dasa, natao vitsy dia vitsy ny isan’ny mpandray anjara mba hialàna amin’ny fitangoronan’olona maro. Tanjona ny hahafahana manaja ny fihetsika fiarovana. Na nihena aza ny isan’ny mpandray anjara dia mihoatran’ny 1 200 ny isan’ny zana-kazo voavoly, izay manampy isa ireo 30 000 hafa nambolen’ny mpiasan’ny STAR nanomboka ny taona 2010 tamin’ny velaran-tany 30 ha.

Kojakojaina isan’andro

Araka ny fanazavana, misy ny fikojakojana atao isan’andro ho fanaraha-maso ny fitombon’ireo hazo ireo ho amin’ny ara-dalàna. Ho fitsinjovana hatrany ny tontolo iainana, dia ireo plastika tsy fampiasan’ny ozinina intsony no navadika famonosana ny zana-kazo. Volavolaina rahateo ao amin’ny taniketsan’ny ozinina ireo zana-kazo samihafa (akasia, amontana, erable…) ireo.

Manamafy ny fiarovana ny tontolo hiainana, izay manome ny akora fototra hampiasainy ny ozinina SEMA Eau Vive Andranovelona amin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Zava-dehibe ho an’ny Star rahateo izao hetsika sosialy izao, ho fiarovana ny tontolo manodidina azy.

Zana-kazo 5 000 isa novolen’ny Minisiteran’ny Asa

Madagasikara rakotr’ala no tanjona ho an’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanaovana hetsika fambolen-kazo amin’ny toerana maro ankehitriny. Efa mifandrimbona amin’izay avokoa ireo rafitra sy departemanta minisiterialy isan-tsokajiny amin’izao fotoana. Tsy diso anjara anjara tamin’izany ny Minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy omaly zoma. Araka ny fanazavana, zana-kazo miisa 5OOO fototra no novolena tamin’izany teny Analamanga park. Izao hetsika fambolen-kazo izao dia ho tanterahina amin’ireo faritra izay misy ny ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana mba hahatonga an’i Madagasikara ho rakotr’ala, raha ny nambaran’ny avy amin’ny ministeran’ny asa. Ny minisitry ny asa Gisèle Ranampy sy ireo rantsamangaikan’ny ministera miisa dimy avy amin’ny CNAPS, ONEF INTRA ENAM ary ny INFA no nanatanteraka izany fambolen-kazo izany omaly zoma faha 19 febroary teny Analamanga park.

 

Namboly zana-kazo miisa 4 000 ny Antenimieram-pirenena

 

Harena ny ala ka zava-dehibe ho an’ny taranaka ny fambolen-kazo”, raha ny nambaran’ny  filohan’ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Razanamahasoa Christine omaly zoma. Zana-kazo miisa 4000 izay nahitana acacias, ananambo, rotra ary kininina no novolen’ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ireo Solombavambahoaka ary ireo mpiara-miasa aminy izay mbola teto Antananarivo. Teny Ankadivoribe Soalandy no nanaovana izany fambolen-kazo izany omaly zoma,  Bas du formulaary tonga nanotrona sy nanome tanana tamin’izany ny Ben’ny tanana teny an-toerana, Andriamatoa Raherimanana Lala, sady nanome toky amin’ny fanaraha-maso ireo hazo izay vao novolena.

LR sy Néla (mpianatra asa).

Fermer