PolitikaSongadim-baovao

HETSIKA EO AMBOHIJATOVO : Tsipahan’ny Fikambanan’ny mpivarotra eo Analakely

Nivoaka tamin’ny fahanginan’ireo mpivarotra eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina izay mivondrona ao anatin’ny Fikambanana « ezaka sy fampandrosoana an’Analamanga » manoloana ny hetsika famoriam-bahoaka kasain’ny antoko mpanohitra tanterahina eny Ambohijatovo anio. Nampiaka-peo sy nanao antso avo ho amin’ny fitoniana sy ny hanajanonana ny hetsika an-dalambe ireto farany. Tamin’izany indrindra no nampahatsiahivan’izy ireo ny tranga niainany  niseho teo Analakely ny taona 2009, taorian’ny nandraisan’ny Filoha Rajoelina Andry fahefana tamin’izany. « Nisehoana fifandonana mahery vaika teo aminy samy vahoaka teto, izay nifanandrinan’ny mpomban’ny TGV sy ny TIM ary dia niafara tamin’ny tora-bato ka nandratrana vahoaka », araky ny fanazavana nentin’ny solon’tenany izy ireo hatrany. « Tsy ilaina intsony ny korontana fa avelao ny Fitondrana hiasa ary miandrasa ny fifidianana amin’ny 2023 », io no antso nataon’ny mpivarotra ho an’ny antoko mpanohitra.

Velon-taraina tokoa ireto mpivarotra ireto ary nametraka ny ahiahiny ny amin’ny mety ho fiantraikan’ity hetsiky ny mpanohitra ity amin’ny fiainany andavanandrony. « Asabotsy ny andro », hoy izy ireo,  «  ary eo indrindra no tena mampandeha ny tsena sy maha betsaka ny olona manjifa. » Araka ny efa fantatra sy fampitam-baovao azo teo anivon’ny tomponandraikitry ny filaminam-bahoaka anefa dia hisy ny sakana sy ny fisavana ireo rehetra hihazo ny faritra Analakely sy ny manodidina na fiara izany na olombelona, ho amin’ny anio. Io antony io no tena mampanahy ny mpivarotra ary hanaovan’izy ireo antso amin’ny tompondraikitra isan’ambaratonga mba hijerevana azy ireo manoloana ity tranga ity.

Fermer