PolitikaSongadim-baovao
FITONDRAM-PANJAKANA: Nanokatra famotorana momba ny olan’ny vatsim-pianarana tao Barikadimy
Tsy nitaza-potsiny nanoloana ny zava-niseho tao amin’ny Oniversiten’I Barikadimy Toamasina ny Fitondram-panjakana fa namoaka fanambarana ny faran’ny herinandro teo. Tao anatin’izany no nanambarana, tamin’ny alalan’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa efa nanokatra fanadihadiana ny olana niseho tamin’ny resaka vatsim-pianarana tao amin’ity oniversite ity ny Fitondram-panjakana.
Mbola nohamafisina tamin’ny alalan’ny fanambarana ofisialy avy amin’ny Governemanta, ny faran’ny herinandro teo, ny resaka nataon’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, nandritra ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono” ny zoma teo. Fanambarana izay miresaka indrindra ny zava-niseho tao amin’ny Oniversiten’I Barikadimy Toamasina, fa indrindra ny olana tamin’ny fizarana ny vatsim-pianarana. Nambaran’ny fampitam-baovaon’ny Governemanta fa efa nandefa vola tany anivon’ny fiadidiana ny Oniversite ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony tamin’ny volana Jolay 2020 mikasika ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny vatsim-pampitaovana. Araka izany, “tsy misy antony mihitsy manamarina ny fahataran’ny fandoavana ireo zon’ny mpianatra ireo ary tsy azo ekena rahateo izany ka nanokatra famotorana ny Fitondram-panjakana mikasika ny tena antony marina”, hoy ny fanambarana ofisialy. Nampahatsiahy, araka izany, ny Governemanta fa tsy handefitra mihitsy manoloana ny ady atao amin’ny Kolikoly. Anisany ahiahina kolikoly sy fanodinkodinam-bola tokoa mantsy ny tranga tahaka itony ka ilàna fahamalinana sy fanaraha-maso akaiky. Nanamafy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny zoma lasa teo, fa rafitra mahaleo tena tanteraka ny Oniversite. Izany hoe, mahaleo tena ara-bola sy ara-pitantanana. Dikany, tsy manana fahefana intsony amin’ny Oniversite ny Minisitera foibe vantany vao lasa any amin’ny fiadidiana ny Oniversite ny vola, fa anjaran’ireto farany kosa no miantoka ny fitsinjarana izany, ara-potoana sy araka ny tokony ho izy.
Lamina vaovao
Mametraka olana hatrany efa an-taonany maro izay ny famaritana izay tena isan’ny mpianatra marina eny anivon’ireo oniversite, hoy ny Governemanta. Eo anatrehan’izany, ny Fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny Minisitera mpiahy, dia efa mametraka vahaolana maharitra momba io, fomba fitantanana ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ny mpiasan’ny Oniveriste. “Laharam-pahamehana amin’izany ny fanadiovana ny lisitry ny mpianatra mba hiantohana marina ny isan’ny mpianatra tena nanao fisoratana anarana ka tokony hisitraka ny vatsim-pianarana”, hoy ny fanazavana.
Raha tsiahivina, efa namoaka fampitam-baovao mahakasika io lamina vaovao atao io ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny herinandro teo. Fantatra tamin’izany fa hanamora ny fikirakirana ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ny mpiasa eny amin’ny anjerimanontolo ny fametrahana ny angon-toro na ny « Base de données numérique ». Nanamafy ny Minisitera fa ny tsy hampiandry ela intsony ny mpianatra sy ny mpiasa eny amin’ny oniversite amin’ny fisitrahana ny vatsim-pianarana sy ny karama no tanjona ilofosan’izy ireo ankehitriny. « Tsara koa ny manamarika fa hampisy mangarahara bebe kokoa amin’ny fitantanana ny vola ity lamina vaovao ity », hoy ny fanazavana. Araka izany, hisy lisitra mazava andraisana ny anaran’ny mpianatra tsirairay misitraka ny vatsim-pianarana, ny laharan’ny karampanondro sy ny finday mandeha izay ampiasaina. Toy izany ihany koa ny an’ny mpiasa.
Tetsy ankilany, tamin’ny alalan’ny fanambarana nataony ny Sabotsy teo, ny Governemanta dia naneho ny fahatohinany nanoloana ireo fikasana hanao fitaovana politika ny tanora malagasy. “Ny tanora no hoavin’ny firenena ka ny adidin’ny rehetra dia ny miaro sy ny manofana azy ireo fa tsy ny manimba na milalao azy ireo”, hoy ny voalazan’ny Governemanta. Hentitra ny Governemanta ny amin’ny tsy tokony haha tafalatsaka ny tsirairay any anaty velam-pandriky ny herisetra na ny fambolena fankahalana.




