PolitikaSongadim-baovao
ANTONTANISA COVID-19 : 233 ireo tranga vaovao, 381 sitrana nandritra ny herinandro
Mitohy hatrany ny fanaovana fitiliana ny tsimokaretina Coronavirus atao amin’ireo olona ahiahiana ho mitondra izany eto amintsika. Raha ny antontanisa nivoaka omaly, olona 233 indray no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina, raha toa ka tafiakatra 381 ireo sitrana nanomboka ny 13 Febroary ka hatramin’ny 19 Febroary lasa teo.
Mbola ny Faritra Analamanga hatrany aloha hatreto no mitana ny laharana voalohany amin’ireo Faritra ahitana ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Tamin’ireo tranga vaovao miisa 233 voamarina ny herinandro lasa teo, ny 152 dia avy eto afovoantany avokoa. Nanaraka azy kosa ny tao amin’ny Faritra Diana izay nahitana tranga vaovao miisa 19. Ankoatra ireo, Faritra valo hafa no mbola nahitana olona vaovao indray mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Araka ny tatitry ny CCO foibe, nahitana tranga vaovao 9 tao Vakinankaratra, 15 tao Atsinanana, 2 tao Analanjirofo, 6 tao Matsiatra Ambony, 10 tao Amoron’I Mania, 5 tao Boeny, 7 tao Atsimo Andrefana, ary 8 tao Menabe. Fitiliana miisa 2868 no nahazoana ireo tarehimarika rehetra ireo.
Ankoatra izay, olona dimy fantatra fa namoy ny ainy tamin’iny herinandro lasa iny. Ny roa tamin’ireo dia avy eto Analamanga, 2 kosa tao amin’ny Faritra Diana, raha toa ka tao Matsiatra Ambony ny iray. Raha ny antontanisa nivoaka omaly, tafiakatra 381 ireo sitrana soamantsara. Hatramin’ny omaly izany, miisa 238 sisa ireo mbola manaraka fitsaboana. Antenaina ny hihenan’izany hatrany amin’ny fanajana ireo fihetsika sakana sy ny fepetra ara-pahasalamana rehetra mifandraika amin’ny ady amin’ny Covid-19.
Mitohy ny fanamafisana ny fepetra
Raha ny tambatrisa kosa, tafiakatra 119 608 hatreto ireo fitiliana efa vitan’I Madagasikara. 19 831 kosa ny fitambaran’ireo tranga voamarina, raha toa ka 19 296 tamin’ireo no efa sitrana soamantsara. Izany hoe, ambony dia ambony ny taham-pahasitrana raha ho antsika eto Madagasikara. Na izany aza anefa, efa 297, izany hoe, efa ho 300 latsaka kely ny isan’ireo lavo tamin’ny valanaretina. Tarehimarika izay hanentanana ny fahatongavantsain’ny tsirairay amin’ny fanamafisana ny fepetra. Ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny eto amintsika dia efa samy niaiky fa voafehy ny fiparitrahan’ny aretina, saingy, mbola ilàna fahamalinana izany mba tsy hiverenantsika amin’ny Onja faharoa indray. Ireo rafitra sy departemanta minisiterialy isan-tsokajiny koa dia mbola mitohy manamafy ny fanentanana amin’ny tokony handraisana hatrany ny tambavy CVO, na ilay amin’ny endriny “gélule”CVO+ mba hanamafisana ny fiarovan-tena.




