PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FIKAONAN-DOHA ARA-TOEKARENA IRAISAMPIRENENA ATY AFRIKA FAHA-20 : Nasongadin’ny Filoha ireo tetikasa fananganana indostria maro eto amintsika
Teo anatrehan’ireo olo-manan-kaja maro aty amin’ny Kaontinanta afrikanina sy eo amin’ny sehatra iraisampirenena no nitanisan’ny Filoha Andry Rajoelina ireo tetikasa fananganana indostria maro efa mandeha sy mbola handeha eto Madagasikara. Nosinganiny manokana tamin’izany ny ozinina “Pharmalagasy” izay mamokatra ny CVO +. Nandritra ny Fikaonan-doha ara-toekarena iraisampirenena aty Afrika andiany faha-20 omaly no nanaovany izany.
Ny 94%-n’ireo fitaovana ara-pitsaboana aty Afrika dia mbola hafarana avy any ivelany avokoa, araka ny fanambaran’ny Vaomieran’ny toekarena ho an’I Afrika. Io tarehimarika io no nisarihan’ny Filoha Andry Rajoelina ny sain’ireo mpizaika nandritra ny Fikaondan-doha ara-toekarena iraisampirenena aty Afrika andiany faha-20, izay natao tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra. Notsindriany, araka izany, fa miankin-doha loatra amin’ny avy any ivelany isika, kanefa manana tontolo sy kaontinanta tanora, ary manana fahaiza-manao hahafahana mamokatra ireo fanafody fototra ilaina amin’ny fitsaboana. Izany rehetra izany dia ao anatin’ny fanajana ireo fahalalana nentim-paharazana rehetra.
Fotoana, araka izany, io omaly io nanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina ny paikady nataon’ny Fitondram-panjakana malagasy nentina niatrehana ny valanaretina Covid-19 tamin’ny fanomezan-danja ny voka-pikarohana malagasy, ka nananganana ny ozinina “Pharmalagasy”. Ity farany izay mamokatra ny CVO +, vita amin’ny alalan’ny “Artemesia annua”, natao hitsaboana Coronavirus, ny tazomoka, ary ny bilarziosy. “Afaka mamokatra “gélules” miisa 32 tapitrisa isan’andro ity ozinina ity, ary vina ny hamokatra ireo fanafody fototra 10 ilain’ny Malagasy hatramin’ny taona 2023”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
60 000 hektara any Atsimo Andrefana
Tetsy ankilany, efa miainga koa ankehitriny ny tetikasa fametrahana ny “pôle agricole” izay hapetraka amin’ny velarantany mirefy 60 000 hektara any amin’ny tapany Atsimo Andrefan’I Madagasikara. Ity tetikasa ity dia hiompana betsaka amin’ny tontolon’ny fambolena, ary hifarimbona amin’ny fahatrarana ny vinan’ny Fitondram-panjakana amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo. Notsindrian’ny Filoha koa anefa fa efa tanjona ny hanondranan’I Madagasikara mankao amin’ny kaontinanta afrikanina any aoriana.
Indostria iray isaky ny Distrika
“Ny zavatra ilain’ny Malagasy dia tokony ho vokarina eto an-toerana avokoa…. Antony nametrahana ny tetikasa vaovao “One district one factory” (ODOF) izay miompana amin’ny fananganana indostria isaky ny distrika rehetra eto Madagasikara, ary mamaly filan’ny mponina any ifotony”, hoy ny fanazavana. Raha tsiahivina, efa voaresaka tamin’ny Filankevitry ny Minisitra farany teo ny mahakasika ity tetikasa ODOF ity, izay fantatra fa hatomboka amin’ny Distrika 60 eto Madagasikara aloha amin’izao fanombohany izao. Tetikasa izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny asatanana tanteraka.
“GasyCar”
Araka ny efa natsidiky ny Filoha tamin’ny taon-dasa, hiroso amin’ny fananganana ny ozinina “GasyCar” ihany koa I Madagasikara izay hamokatra ny fiara “Made in Madagascar” voalohany, manaraka ny fenitra andrasana.
“Digitalisation”
Ankoatra ireo rehetra ireo anefa, notsindrian’ny Filoha ny tokony hidiran’I Afrika bebe kokoa amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknolojia. Nambarany fa iny valanaretina Covid-19 iny dia nahafahan’ny Fanjakana malagasy nahatsapa ny tokony hidirana lalindalina kokoa amin’ny resaka “digitalisation”. Noho izany, hirosoana manomboka izao ny fanaovana “digitalization” ny sampandraharaham-panjakana rehetra eto Madagasikara. Ary izany dia anisany fanamby goavana amin’ity taona ity.
Teo anatrehan’ireo rehetra ireo, niantso ny firaisankinan’I Afrika sy ny fanomezan-danja ny fifampiresahana ny Filoha malagasy mba hanarenana indray ny toekarena afrikanina, ary koa mba hanandratana izany amin’ny toerana tokony hisy azy.



