PolitikaSongadim-baovao
MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO: « Ny fahafaha-maneho hevitra tsy midika ho fanonganam-panjakana »
Niniana naely tamin’ny onjampeo sy tamin’ny tambazotra sosialy Facebook ny horonam-peo mirakitra ny feon’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fony izy nanao fandaharana tamin’ny taona 2014 izay nanakiana ny Fanjakana tamin’izany fotoana noho ny tsy fahafahana naneho hevitra. Mazava ho azy, io no fitaovana entin’ny mpanohitra hanakianana azy ankehitriny. Nitondra fanazavana momba izany ny tenany omaly, izay nilazany fa mbola tazoniny avokoa ny heviny tamin’ireny fotoana ireny, ary « ny fahafahana maneho hevitra tsy midika ho fanonganam-panjakana », hoy izy.
“Mbola tazoniko ny hevitra rehetra nolazaiko. Zo ny maneho hevitra, zo ny manao fihetsiketsehana. Hiantohan’ny lalàmpanorenantsika ny fanehoan-kevitra amin’ny ankapobeny », hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, raha niresaka momba ny horonam-peo mitahiry ny feon’ny tamin’ny taona 2014. Ny tsara ho fantatra anefa dia efa tenin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo tamin’izany fotoana ny hoe “Ny fahafahana maneho hevitra dia tsy midika ho fanonganam-panjakana ». « Izaho dia tsy miombon-kevitra amin’ny fanonganam-panjakana velively”, hoy izy omaly. Inian’ny olona tsy noresahana anefa iny fehezan-teny iny, hoy izy. Nolazainy fa raha maneho hevitra tsotra ny mpanohitra sy ny RMDM dia tsy hisy hanenjika azy ireo amin’izany mihitsy. “Namela ny mpanohitra haneho hevitra ny Fanjakana. Navela nanao “fitsangantsaganana”, kanefa nivadika fanonganam-panjakana. Ity no fanonganam-panjakana fahenina ataonay, omeo anay ny Fanjakana, izany no heno tamin’ny hetsika nataon’ny mpanohitra”, hoy ny mpitondra tenin’ny Governemanta.
Mahakasika ny fanaovana hetsika eo Ambohijatovo, notsiahivin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa mbola delegasiona manokan’ny tanàna no nitantana teto Antananarivo tamin’ny taona 2014. Izany hoe, tsy nisy asa nandeha teo Ambohijatovo. Ankehitriny tsy azo anaovana hetsika intsony eo Ambohijatovo noho ny tetikasan’ny Ben’ny tanàna, saingy efa nomena ny mpanohitra kosa ny eny Soamandrakizay. Midika izany, fa nanaja ny fahalalahana maneho hevitra ny Fanjakana. “Izaho tsy nisisika ho eo ambohijatovo raha toa ka efa nisy asa teo tamin’izany”, hoy hatrany izy.
Tsy manao jadona ny Fanjakana
Nolazaina fa nanao jadona ny Fanjakana tamin’ny sabotsy 20 Febroary lasa teo, indrindra noho ny fisian’ireo olona 11 voasambotra. Nilaza ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa olona tratra nizara vola ireo nosamborina, olona nikasa hanakorontana. Voaporofo avokoa ny heloka nataon’ireo olona ireo, hoy izy. Tokony ho fantarina aloha ny antony nisamborana ireo olona ireo vao manenjika ny Fitondram-panjakana, hoy izy. “Ny fampitam-baovao nialohan’io sabotsy io dia nilaza fa manomana fanakorontanana izy ireo. Efa nandeha ny resaka fandrobana talohan’io sabotsy io. Tsy maintsy mandray andraikitra ny Mpitandro filaminana satria zon’ny rehetra ny hiaina am-pilaminana”, hoy hatrany izy.
Ny Fanoratana.




