PolitikaSongadim-baovao
SAVOROVORO TAO TOLIARA: Olona mpanararaotra no nanao ny fandrobana
Niharihary tanteraka ny hetsika fanakorontanana sy ny fambolena korontana ataon’ny sokajin’olona sasany eto amin’ny Firenena, raha ny zava-niseho tao an-tampon-tanànan’i Toliara, ny faran’ny herinandro teo no asian-teny. Ny mpianatra mitokona any amin’ny toeran-kafa, ny mpanakorontana sy ny mpandroba anefa manao ny ataony aty an-tsena, izay tsy misy hifandraisany amin’ny mpianatra manao fitokonana velively mihitsy.
“Tsy ny mpianatry ny Oniversite no tonga taty aminay”. Io no teny niraisan’ireo mpivarotra niharan’ny fandrobana tao an-tampon-tanànan’i Toliara, ny faran’ny herinandro teo. Ny ankaramaroan’ireo nanontaniana koa dia samy nilaza fa olona voakarama ireo nandroba mpivarotra sy tsena maromaro ireo. “Namoha tsena tahaka ny isan’andro izahay. Tampokatampoka eo nisy andian’olona, nandeha tsieninenina izy ireo, nitondra baramina, vy…. Nisy namanay niangavy ny amin’ny tsy tokony handrobana ny entany fa tsy noraharahain’ireo andian’olona ireo… tsipihinay fa tsy mpianatry ny Oniversite mihitsy izy ireo… Mety olona voakarama angamba? Misy mpitarika posy ny sasany”, hoy ny renim-pianakaviana iray mpivarotra, izay niharan’ny fandrobana koa. Hoy indray ny sasany manao hoe “ ny mpianatra mitaky ny anjarany fa olona hafa mihitsy ilay mandroba, tsy hay na misy olona maniraka, toa efa nipetrapetraka avokoa mantsy ny tetika fandrobana rehetra”. Raha ny zava-niseho, noho izany, no dinihina dia nokasaina nohararaotina mihitsy ny hetsiky ny mpianatry ny oniversiten’i Maninday, nahafahana nanao ny asa fandrobana. Ny tanjon’ny mpaniraka ireto olona ireto dia hoe mba saron’ny hetsiky ny mpianatra ny teti-dratsy ka tsy ho hita mazava izay tena nanao ny fandrobana noho ny mety fisian’ny savorovoro. Tsy izay anefa no nitranga fa tena niavaka tsara mihitsy ny maha olona voakarama azy ireo. Ary izay nanatri-maso rehetra tany an-toerana dia nilaza fa tsy avy any amin’ny mpianatra mihitsy no nosamborin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fifanjevoana.
Vatsim-pianarana efa-bolana
Araka ny fantatra, fitakiana vatsim-pianarana efa-bolana miampy fampitaovana, sy anton-javatra hafa no anton’ny fitokonan’ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Toliara. Tamin’ny ankapobeny, nanodidina ny faritry ny Onoversite ihany ireo mpianatra ireo no nanao ny grevy, na dia nisy aza ny fikasana hivoaka eny an-dalambe, izay antony nahatonga maro ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Io fotoana io indrindra no nohararaotin’ny olona sasany nanaovana ny fandrobana tany an-tsena.
Araka ny vaovao farany voaray, dia efa nivaha ny olan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Toliara ankehitriny, taorian’ny fifampiresahana tamin’ny solontenam-panjakana izay nahitana ny Minisitry ny Fampianarana Teknika, ny Governora Dr Ranoelson Edally, ny Prefet Toliara, ny Solombavambahoaka roa mirahalahy, ireo Ray amandreny solontenan’ny foko 18, ny CFM ary ireo maro hafa koa. Araka izany, nomena ireo mpianatra avokoa izay rehetra nangatahin’izy ireo, nitsahatra nanomboka ny sabotsy hariva teo koa ny fitokonana ataon’izy ireo. Na ny vatsim-pianarana na ny ara-potodrafitrasa dia samy nandrosoana vahaolana avokoa ary ny manomboka anio dia ny asa azo tsapain-tanana amin’ny famahana ireo olana ireo.




