SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FIFOHANA SIGARA SY FIHINANANA PARAKY : Malagasy miisa 8 300 isa-taona no maty

Mahatratra hatramin’ny 8300 isa-taona ireo Malagasy maty vokatry ny fifohana sigara sy fihinanana paraky, araka ny tatitra nataon’ny OMS. Araka ny fanazavany, misy voka-dratsiny eo amin’ny fahasalamana ny fifohana ity zava-mahadomelina ity toy ny aretin’ny taovam-pisefoana, homamiadan’ny avokavoka, aretina ao amin’ny lalan-drà ao amin’ny fo, sns… Eo ihany koa ny voka-dratsiny amin’ny zaza vao minono sy ho an’ny vehivavy mitondra vohoka.

Raha tsiahivina, ny 27 febroary 2005, I Madagasikara dia nanao Sonia fifanekena teo anivon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny Fahasalamana (OMS) ho an’ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky. Izany hoe, feno 16 katroka ny sabotsy teo izany. Io daty io dia nifanojo indrindra tamin’ny atrikasa fanomanana fitaovan-tserasera ho an’ny ady amin’ny fihinanana paraky sy ny fifohana sigara, izay notontosaina tao Toamasina ny herinandro lasa teo.

Fiankinan-doha

Ho antsika eto Madagasikara, efa maro ireo sampana sy fikambanana maro samihafa mandray an-tanana ireo olona tratran’ny fiankinan-doha amin’ny sigara sy paraky. Samy manana ny hevitra sy ny fomba entiny hitsaboana ireo tratran’io fiankinan-doha io izy ireo. Ny vokatry ny fitsaboana irery ihany kosa anefa no hahafahana mitsara amin’ny fahombiazany. Hatreto, ny Fanjakana nifandimby dia tsy manana paikady mazava handraisana an-tanana ireo miankin-doha. Ny serasera kosa no efa tena mandeha, miaraka amin’ireo fanentanana maro isan-karazany momba ny voka-dratsin’ny Sigara sy ny paraky.

Covid-19 ao Nosy Be: Efa midina ny antontanisa

Somary niakatra ny trangana Covid-19 tao Nosy Be ny herinandro lasa iny, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Fahasalamana, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Ity farany ihany anefa no efa nilaza ny faran’ny herinandro teo fa efa nahitana fihenan’io isa io, araka ny tatitra farany. Midika ho fahombiazan’nypaikady izany, hoy ny Minisitra, izay tsy hafa fa miompana amin’ny fanapahana ny famindrana. “Efa nidina any amin’ny 22 amin’izao, raha tany amin’ny 48 tany aloha”, hoy hatrany ny Minisitra raha niresaka momba ireo tranga hita tany an-toerana ny tenany.

Fermer