Songadim-baovaoToekarena
MASOIVOHO VAOVAON’NY STAR TOAMASINA: Ainga vao amin’ny fampandrosoana ara-toekaren’ny Faritra Atsinanana
Manampy amin’ny fahalalahan’ny lalana manodidina ny seranan-tsambo ao Toamasina ny fifindran’ny masoivoho ny STAR teo amin’ny toerana nisy azy teo aloha. Ankehitriny, ny kaominin’Amboditandroho indray no misy ny masoivohon’ny orinasa Star vaovao ao Toamasina. Ity masoivoho vaovao ity, dia mivelatra sady lehibe satria manana velarana 6.000m2 fametrahana entana sy akora fototra, 16.500 m2 fipetrahan’ny fiara lehibe ary 2.000 m2 kosa ny fipetrahan’ny fiara kely, ny moto ary ny mpandeha an-tongotra. Ankoatra izay, manana ny fitondrana rano manokana ho azy ihany koa ity masoivoho vaovao ity, ary ho fiarovana ny tontolo iainana dia herinaratra avy amin’ny masoandro no manazava ny ivelany manontolo no ampiasain’izy ireo.
Araka izany, manampy lehibe tokoa ireo mpiasan’ny STAR ao Toamasina miisa 63 izao fotodrafitrasa izao amin’ny fanatanterahana ny asany amin’ny andavanandro, raha ny fanazavana. « Hafaliana ho anay ny fanokanana izao masoivoho STAR vaovao eto Toamasina izao. Na dia nandia fotoan-tsarotra aza ny rehetra iny taona lasa iny, dia tsapa fa miray hina hatrany ny mpiara-miasa ato amin’ny STAR hanatratra ny tanjona iombonana. » hoy Ramatoa Seheno Randriambolamanana, Tompon’andraikitry ny serasera STAR.
Manaraka izay, manamafy ny fampandrosona ny toekarena ao amin’ny Faritra Atsinanana amin’ny taona maro hoavy ny fisian’izao masoivoho STAR lehibe vaovao ao Toamasina izao, araka ny fampitam-baovao. Tsara ho fantatra, fa nanomboka ny taona 2019 ny asa fanamboarana ity masoivoho vaovao ity ary niato nandritra ny dimy volana tamin’ny hamehana ara-pahasalamana ny taona 2020 teo. Omaly Alatsinainy 01 martsa 2021 ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ity fotodrafitrasa vaovao ity, ka ao Toamasina, kaominin’i Amboditandroho no nametrahana azy. Ny fanokanana dia notanterahina teo ambany fiahian-dRamatoa Lantosoa Rakotomalala, Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa Tanana. Tonga teny an-toerana nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-panokanana ny tale jeneralin’ny Star, Andriamatoa Marc Pozmentier sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo manam-pahefana teny an-toerana.
Néla (mpianatra asa)

