SamihafaSosialy

Fiatrehana ny Covid-19 : Nanome fitaovana ho an’ny Foloalindahy sy ny polisy ny Pnud

Nisy ny fanolorana fitaovana informatika ho an’ireo hery Fiarovana sy ny fampandriana fahalemana avy amin’ny Firenena mikambana (Pnud), omaly. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny tetikasa tohana amin’ny fanavaozana ny rafitry ny fandriampahalemana sy hanaraha-maso ny fanatanterahana ny asan’ny mpitandro filaminana…

Ilaina ny firaisan-kina iatrehana ny valanaretina covid-19.

Nanolotra fitaovana informatika ho an’ireo hery Fiarovana sy ny fampandriana fahalemana, izay hivondronan’ny Foloalindahy sy ny Polisim-pirenena ny Pnud na ny «Programme des Nations Unies pour le Développement», omaly teny Andraharo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa tohana amin’ny fanavaozana ny rafitry ny fandriam-pahalemana na « Appui à la Reforme du Secteur de Sécurité à Madagascar», izao fampitaovana izao, ary entina hanamafisana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny asan’ny mpitandro filaminana. Ho an’ny Tafika, nandray ireo fitaovana ireo ny Talen’ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry ny Jly Rasolonirina Roger sy Ramatoa Razanarivony Mialisoa, Tale misahana ny lafiny lalàna, eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ary ny solontenan’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika.

Isan’ireo nandray ny anjarany ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Tanjona amin’izao fanaraha-maso izao ny hanatsarana ny fomba fiasa sy hampiharana antsakany sy andavany etika sy ny deontolojia, mba hampisy hatrany ny fatokisan’ny vahoaka ny Hery Fiarovana sy fampandriana fahalemana. Ho an’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotomalala Andriatahina, Talen’ny Fandrafetana sy fanaraha-maso ary fanombanana no nandray ireo fitaovana vao azo.

Velom-pisaorana tamin’ny Firenena mikambana (Pnud) izy ary nanome toky fa hampiasa araka ny fenitra sy hikojakojana izany.

Fermer