Songadim-baovao

Distrikan’i Tsaratanana : Dahalo fito naman’i Del Kely maty voatifitra

Nanomana fanafihana ireo mpiantsena sy mpivarotra any Ambohidronono, kaominina ambanivohitra Ambakireny, distrikan’i Tsaratanana, ny andian-dahalo eo amin’ny 20 teo, ny 27 febroary lasa teo. Vokatry ny fandraisana andraikitry ny zandary sy ny miaramila avy amin’ny Holafy 322 any an-toerana, dia maty voatifitra ny dahalo miisa fito, izay tarik’ i Del Kely….

Isan’ireo basy azo nandritra ny fifandonana.

Nahazo loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo ny Borigady tao Brieville, ny 27 febroary lasa teo, fa misy dahalo eo amin’ny 20 eo tarihin’i Del Kely nivory tao Beravotavo, fokontany Tanambano, Kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanana. Raha ny angom-baovao, hanatanteraka fanafihana amin’ny lalana kaominaly mifandray amin’ny fokontany Antsampandrano amin’ny Mahabe, kaominina ao ambanvohitra Brieville ireo olon-dratsy. Ireo mpiantsena sy mpivarotra avy any Ambohidronono, kaominina ambanivohitra Ambakireny no tena lasibatra ireto tarika Del Kely ireto. Nidina ifotony avy hatrany ny avy amin’ny Zandary sy ny miaramila avy amin’ny Holafy 322 ao Ambakireny nanao ny fisafoana sy niandry izay fiavian’ireo olon-dratsy. Ny 28 febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, raikitra ny fifandonana teo amin’ireo tarik’i Del Kely no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana.

Ireo vehivavy tratra niaraka tamin’ireo dahalo.

Vokany, dahalo miisa fito no  indray lavon’ny bala. Nahatratra efatra kosa ireo basy azo tany amin’ireo olon-dratsy izay nahitana Mas 36 sy AKM iray ary basim-borona roa. Vehivavy miisa roa tarika i Del Kely koa no voasambotra nandritra ny fifanjevoana. Mbola mitohy, araka izany, ny fikarohana ireo dahalo ireo, indrindra ny mpitarika azy ireo, izay mbola tsy tratra hatramin’izao, dia i Del kely izany.

Fermer