PolitikaSongadim-baovao

FITANTANANA TSY MAZAVA: Nesorina ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina

Foana ny ampahany amin’ny didim-panjakana laharana faha 2019-711 tamin’ny 10 Aprily 2019 nametrahana ireo Filohan’ny Oniversite ho an’izay mahakasika ny fanendrena an’Atoa Zafitody Conscient ary noraisina ny fametrahana ny “Comité Interimaire à l’Université de Toamasina”, io no tapaky ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Anton’izany ny fisian’ny fitantanana gaboraraka sy tsy mazava nataon’ity tomponandraikitra ity, fony izy teo amin’ny fitantanana.

Karazana tsy fanarahan-dalàna maro no hita tao amin’ny Oniversiten’I Barikadimy Toamasina taorian’ny fanaovana fanadihadiana tao an-toerana, vokatr’ireny olan’ny vatsim-pianarana izay namoizana aina mpianatra ireny. Misy fitantanana tsy mazava ny Oniversite, ary misy tsy fifehezana ny Oniversite araka ny voalazan’ny didy aman-dalàna mifehy ny Oniversite voafaritry ny didim-panjakana laharana faha 2002-565 tamin’ny 04 Jolay 2002 nasiam-panovana sy araka ny didim-panjakana laharana 2010-129 tamin’ny 11 Marsa 2010, ny didim-panjakana laharana 2012-688 tamin’ny Jolay 2012, ary ny didim-panjakana laharana 2015-1510 tamin’ny 09 Novambra 2015, ny fanodikondinana ny volan’ny mpianatra ampiasaina amin’ny zavatra hafa araka ny fanadihadiana nataon’ny tomponandraikitra. Voamarina koa ny fisian’ny fivarotana ny fiaran’ny Oniversite izay mifono fanararaotana, ny tsy fahazaina mitantana eo anivon’ny Oniversite. Ireo rehetra ireo no antony lehibe nanatsaharan’ny Fanjakana ity Filohan’ny Oniversiten’I Toamasina ity tamin’ny asany.

Fandraisana mpiasan’ny Oniversite

Voarainy tamin’ny volana jolay ny tetibola hentina mandoa ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana saingy nampiasainy tamin’ny zavatra hafa izany rehefa nodinihina ny ireo fampiasam-bola nataony nandritra ny fotoana nahazoany ny vola ka hatramin’ny nivoahan’ny tetiandro handoavana ny vatsim-pianarana, izay tsy tanteraka raha tsy nisy ny famoizana aina mpianatra”, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Tsara ho fantatra fa ankoatra ny fanodinkodinana ny vola vatsim-pianarana tokony ho an’ny mpianatra dia voamarina koa fa nisy ny fivarotana ireo fiaran’ny Oniversite  izay nasiam-panamboarana tamin’ny tetibolan’ny Oniversite nefa dia namidy 1 tapitrisa ariary ka hatramin’ny  3 tapitrisa ariary monja. Eo koa ny fandraisana mpiasan’ny Oniversite tsy nahazoana alalana na teo anivon’ny Minisiteran, na teo anivon’ny Filankevi-pitantanana. “Noho ireo dia nivoitra ny maha fahadisoana bevava eo amin’ny fitantanana ny Oniversite ny nataony ka nitarika ny fanalana azy”, hoy ny fanazavana.

Fitantanana gaboraraka

Raha tsiahivina, ny 15 Febroary 2021, dia nandefa iraka manokana ny fiadidiana ny Repoblika, nandefa ny talen’ny kabinetra koa ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony, ary mpikambana ny kabinetra iray. Novoriana tao daholo ny tomponandraikitra ara-bola, ny fikambanana rezionaly, sy ny sisa. Izany rehetra izany dia teo anatrehan’ingahy Filohan’ny Oniversite daholo. Tapaka taorian’io fivoriana io fa ho avoaka ny 17 Febroary ny lisitry ny mpianatra misitraka ny vatsim-pianarana. Nivoaka nifanaraka tamin’izany ny tetiandro. 18 Febroary 2021 anefa vao navoaka ilay lisitra, izay daty nahafatesan’ny mpianatra iray. Marihana fa efa vita tamin’ny 05 Febroary 2021 ny fivorian’ny “sous-commissions” rehetra manerana ny “établissement” mikasika ny vatsim-pianarana tao amin’ny oniversiten’I Toamasina. Afaka naloa andro vitsy monja taorian’io ny vatsim-pianarana araka izany, saingy tsy nalefan’ny oniversite. Ampahany ihany io fa maro ireo porofo manamarina ny fisian’ny fitantanana gaboraraka tao amin’ity Oniversite ity, izay tsy misy fahadisoan’ny Minisitera mpiahy sy ny Fanjakana foibe velively.

Fermer