SamihafaSongadim-baovaoSosialy
VEHIVAVY MPANJONO AO MAHAJANGA : Notolorana fitaovana hahafaha-mikirakira sy mitahiry hazan-drano
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy 08 Marsa ny hetsika izay notanterahina tany Mahajanga omaly. Niompana tanteraka tamin’ny fanampiana ny Fikambanam-behivavy misehatra eo amin’ny tontolon’ny Jono ao amin’ny Kaominina Antsahambingo ny hetsika. Fotoana izay nanokanana ny “Unité de transformation de Poisson” izay fitaovana hahafahana mikirakira sy mitahiry hazan-drano.
“Teo aloha, misy fotoana vao avy any anaty lakana ny trondro dia avy hatrany dia alefa mivantana eny an-tsena satria tsy misy fitahirizana azy. Miaraka amin’ity fitaovana vaovao ity kosa, tsy simba ny trondro, ary afaka tehirizina tsara satria mahazo ranomandry”, hoy Eugénie, mpikambana ao amin’ny Fikambanana mpanjono mivoitra Antsahambingo (FMMA), raha nijoro vavolombelona. Ity vehivavy ity izay nanambara ny maha zava-dehibe ny fanomezana izay nomen’ny Vadin’ny Filoham-pirenena, sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina, ho an’izy ireo.
Araka izany, tao amin’ity kaominina ity indray no nandehanan’ny Vadin’ny Filoha omaly, natrehin’ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Governemanta, toa an’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Nandritra ny lahateniny, nilaza Ramatoa Mialy Rajoelina, fa mafy ny asa hatrehin’ireo vehivavy misehatra eo amin’ny tontolon’ny Jono saingy manana fikirizana hampivoitra izany izy ireo. Teo anatrehan’izany, nilaza ny fahavononany hanohana azy ireo ny Vadin’ny Filoha.
Maro ny vehivavy misehatra eo amin’ny tontolon’ny Jono ato amin’ny Faritra Boeny, indrindra ny ao amin’ny Kaominina Antsahambingo, araka ny fanadihadiana. Noho izany, nisy ny fanolorana “Unité de transformation de Poisson” (debarcadere) avy amin’ny Vadin’ny Filoha. Ankoatra ireo fitaovana maro hahafahana mikirakira sy mitahiry ireo hazan-drano, dia misy koa fampiofanana momba ny fitantanana omena ireo vehivavy ao amin’ity Kaominina ity. “Tanjona ny hahafahana mampiroborobo ny asa fivelomanareo tsirairay avy, sy ny fiainan-tokantranonareo, amin’ny alalan’izao fanampiana entinay izao”, hoy ny fanazavany. Nankasitraka ny asa sy ezaka vitan’ireo vehivavy ny Vadin’ny Filoha.
Mpikambana 58
Ankoatra ny fotodrafitrasa, notolorana fampitaovana toy ny “congelateur, panneau solaire, fumoir » ihany koa ny trano vaovao. Araka ny fanazavan-dRamatoa Eugenie, anisany mpikambana eo anivon’ny FMMA, dia miisa 58 izy ireo ankehitriny no ao anaty fikambanana. Saika vadina mpanjono daholo ireo mpikambana ao anatiny. Ity vehivavy ity izay nilaza fa eny an-tsena amin’ny ankapobeny no andefasana ny vokatra trondro azon’izy ireo. Misy koa orinasa manokana efa mpandray ny vokatra. Tanjona, kosa hoy izy, ny hahafahana manondrana mankany ivelany, raha toa ka misy tomponandraikitra afaka manome tanana amin’izany. “Vao sambany teo amin’ny tantaram-piainan’ny vehivavy eto Mahajanga ny nahazo fotodrafitrasa tahaka izao. Tena akaiky, sady misy rano no misy jiro, hahafahana tsara mitahiry ny trondro mandrapahatongan’ny ora hahafahana mivarotra azy ny fanomezan’ny vadin’ny Filoha”, hoy hatrany ny fanazavany.



