Songadim-baovao
Familiana ieren-doza : Hizara traikefa amin’ireo mpamily ny teknisianin’ny DGSR
Notontosaina omaly, tetsy Alarobia, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, ny Jly Tsirivelo Nicolas. Hafatra lehibe no nampitainy momba ny familiana ieren-doza, izay tsy ampy fotsiny ny fanentanana ny olona amin’ny fitsarana fiarakodia , fa ilaina ny mitondra anjara biriky amin’ny fampihenana ny loza…

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, ny Jly Tsirivelo Nicolas, Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, tao amin’ny birao fiasany, ao Alarobia Amboniloha. Nisongadina nandritra ny fihaonana ny nampitany hafatra lehibe, mikasika ny familiana ieren-doza. « Tsy ampy fotsiny ny fanentanana ny olona amin’ny fitsarana ny fiarakodia, fa ilaina ny mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampihenana ny lozam-piarakodia izahay eto anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia », hoy izy. Tafiditra ao ny fizarana traikefa omen’ireo teknisianina manampahaizana manokana avy ao amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, ho an’ireo mpamily samihafa, indrindra ireo mpamily amin’ireny Kaoperativa fitateram-bahoaka ireny na nasionaly na rezionaly. Eo koa ny fikojakojana amin’ny ankapobeny ny fiara, mialoha, mandritra ary aorian’ny hiaingana amin’ny toerana iray. Ny fanamboarana sy famahana ny olana raha sendra ka tratran’ny tsy fahatomombanana ara-teknika ny mpamily iray. Tsy nohadinoina koa ny fampahafantarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifamoivoizana, mba ho fisorohana amin’ny trangana kolikoly. Tanjona ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ka antony manokana andraisan’ny Foibe fitsarana fiarakodia ny andraikitra manandrify azy.
Raha tsiahivina, efa nisitraka izao fizarana fahaiza-manao izao ny teo anivon’ny Cnaps, ary hohamafisina ho an’ireo sehatrasa hafa sy ireo mpamily mpanao asa fitaterana isan-karazany, ka hahazoana « certificat » ho an’izay nahavita ny fampiofanana.




