Songadim-baovao

Fidirana ho mpianatra zandary : Vehivavy 1103 nahafeno ny fepetra hiatrika ny fifaninanana

Hotanterahina ny 27 sy 28 marsa izao ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary ao anatin’ny andia faha-76. Nahatratra 9596 ireo nahafeno ny fepetra ka ny 1103 amin’ireo mpifaninana dia vehivavy avokoa…

Efa afa-mitaha amin’ny lehilahy ireo zandary vehivavy.

Hotontosaina ny 27 sy 28 marsa izao ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary ao anatin’ny andiany faha-76, amin’ity taona ity. Tafiakatra 9596 ireo voaray hiatrika ny fanadinana ka ny 8493 ny lehilahy raha 1103 kosa, ny vehivavy. 9655 ny isan’ny antontan-taratasy voaray, saingy nahatratra 59 ireo tsy nekena noho ny antony samihafa.  Nohazavain’ny  Jly Gellé Serge, lehiben’ny Etamazaoron’ny kaomandin’ny zandarimaraiam-pirenena  fa « ny antony mahatonga ireo mpiadina sasany tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana, dia nisy ireo  be taona; ny sasany indray tsy ampy taona. Eo koa ny tsy ampy refy, ary ny sasany nisy diplaoma « scanné ». Raha ny tokony ho izy anefa, dia ny dika mitovy amin’ny fanamarinam-pahaizana voamarina  no alefa fa tsy « scanné ». Ny tomponandraikitra rehetra izay mikirakira ny fifaninanana  manerana an’i Madagasikara, manomboka amin’ny mpandrindra ankapobeny ka hatrany amin’ny Faritany, izay mikirakira ny fifaninanana dia manao « taratasy fanekena » avokoa amin’ny fanarahana ny fitsipika rehetra, manaraka ny lalàna mifehy izany fifaninanana izany, izay nataon’ny tomponandraikitra tsirairay sonia. Mahakasika ny laza adina dia mpampianatra efa voafantina avy any amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no mamolavola izany.

Mpandainga sy mpisoloky…

ny Jly Gellé Serge, lehiben’ny Etamazaoron’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena

Nambaran’ny Jly Gellé Serge hatrany fa ny toromarika ho an’ny mpiadina sy ny Ray aman-drenin’ny mpiadina, dia hamafisina fa mpandainga sy mpisoloky ireo milaza ho mahatafiditra mpianatra ho Zandary ka hampandoa vola.  « Mitandrema tsy alaim-panahy amin’ny resaka kolikoly fa tsy misy izany. Sao ho very vola ianareo no ho tratran’ny fanadihadiana ka mety hiafara amin’ny famonjana », hoy izy hentitra. Nomena torohevitra ireo mpifaninana dia ny fanamafisana ny taranja Frantsay satria ny teny Frantsay no hampianarana any Ambositra ary tsy tokony hohadinoina  ny taranja Malagasy sy Matematika. Eny amin’ny Tobin’ny Zandary izay nametrahana ny antontan-taratasy no ahitana ny lisitra. Ny taratasy fiantsoana na ny « convocation » kosa, halefa paositra. Raha sanatria misy ny tsy nahazo ny taratasy fiantsoana, amin’ny 26 marsa 2021, izay hanaovana  fihaonana no hahazoana izany, raha toa ka ao anatin’ireo afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana ireo mpiadina.

 

Fermer