
Fanadihadiana Manokana
FAMPIROBOROBOANA NY KOLONTSAINA: Politikam-pirenen’ny Kolontsaina, Satan’ny mpanakanto, tranoben’ny serasera sy kolontsaina, ANAC… tsy ho ela
Raha vao ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no resahina, dia ny tontolon’ny Asa fanaovan-gazety, sy ny Serasera amin’ny ankapobeny, avy hatrany no mby ao an-tsaina. Misy koa anefa ny Fitaleavana ankapobeny misahana ny Kolontsaina izay nahavita asa lehibe maro nandritra izay roa taona mahery nitantanana ny Minisitera izay. Tokana ny tanjona amin’ny hetsika rehetra izay natao sy atao ary ireo mbola hatao, dia ny fampiroboroboana ny Kolontsaina malagasy.
Tsy voafetran’ny mpihira sy ny mpitendry zava-maneno ary ny mpandihy ihany no atao hoe mpanakanto. Ho an’ny eto Madagasikara manokana, anisany mpanakanto mendrika ho tohanana sy homena sehatra, ny mpanao hosodoko, mpisehatra eo amin’ny lamaody sy ny haihaingo, mpisehatra eo amin’ny “Art Plastique”, mpamorona, sy ny sisa maro hafa. Saika mitodika amin’ny fanohanana ireo sehatra rehetra ireo, noho izany, ny politika nitondran’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny hetsika rehetra nataony mifandraika amin’ny Kolontsaina, nanomboka ny taona 2019.
Isany dingana goavana indrindra vitan’ny Minisitera kosa anefa, tao anatin’izay roa taona mahery izay ny fanavaozana ny Politikam-pirenena momba ny Kolontsaina. Notsindrian’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Razafiarison Francis, fa tokony hisy fanavaozana isaky ny dimy taona ity politikam-pirenena momba ny Kolontsaina ity mba hifanaraka amin’ny toetrandro sy ny zava-misy. Ankehitriny, efa nahazo ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra sy ny Filankevitry ny Governemanta ny volavolan-dalàna mirakitra ity politikam-pirenena ity. Ary haroso eny anivon’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Tsara ho fantatra fa anisany maha zava-dehibe ny fahalanian’ity volavolan-dalàna ity ny fahazoan’ny artista tsirairay ny Sata maha mpanakanto matihanina. “Izany hoe, hatao mihitsy izay haha matihanina tanteraka ny asan’ny mpanakanto, hisy ny fiahiana ara-tsosialy, hisy ny fisotroan-dronono”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina. Marihana fa efa anaty adihevitra tanteraka miaraka amin’ny Cnaps ny eo anivon’ny Minisitera amin’izao fotoana izao. Araka ny fantatra dia efa fihaonana fanimpitony izao no nisy teo amin’ny roa tonta. “Zava-dehibe ny fahazoana io sata io satria hisy ny fiatohana raha sendra Loza, na raha sendra fahafatesana”, hoy hatrany ny fanazavana.
MIHAMY MADA FASHION
Anisany hetsika nahafahana nampisongadina ireo mpamorona sy ny mpisehatra eo amin’ny haihaingo eto amintsika ny Mihamy Mada Fashion. Andiany faharoa ity hetsika ity tamin’ity taona ity, izay vao notontosaina herinandro vitsy lasa izay. Tamin’ny 2020 kosa ny andiany voalohany ary hatao hetsika isan-taona. Tamin’ny ankapobeny, tratra ny tanjona tamin’ny fanatanterahana ny hetsika. Betsaka no liana tamin’ny vokatra malagasy, ary nilaza ho afa-po tamin’ny hetsika nokarakarain’ny Minisitera ireo nandray anjara rehetra tamin’izany.
TOSIK’ART
Anisany hetsika nokarakarain’ny Minisitera, fony ny ekipa vaovao tafapetraka tamin’ny toerany, ny Tosik’art. Ity farany izay fifaninanana ataon’ireo tanora manana tetikasa ara-kolontsaina, na mifandraika amin’ny tontolon’ny Kolontsaina. Mahazo loka avy amin’ny Minisitera tomponandraikitra kosa ireo tetikasa mendrika amin’izany, ary misitraka tohana hahafahana tena manatanteraka ny tetikasa amin’ny antsakany sy andavany. Nanomboka tamin’ny taona 2019 ny hetsika, ary tokony ho nisy isan-taona saingy noho ny valanaretina Covid-19 dia tsy afaka nasiana ny 2020.
HETSIKA HIARAHANA AMIN’NY OFNAC
Zava-baovao amin’ny fampiroboroboana ny zava-kanto, izay hiarahana miasa amin’ny “Office National des Arts et de la Culture” (Ofnac), ny hetsika karakaraina ao amin’ny La City Ivandry isaky ny Zoma hariva faran’ny volana. Toerana izay hanomezana sehatra maimaimpoana ho an’ny artista. Araka ny fanazavana, maimaimpoana avokoa ny hetsika rehetra atao amin’izany, na ho an’ny mpanakanto hanao fampisehoana, na ho an’ny mpankafy izay tonga hijery ny seho. Marihana fa atao isam-bolana ny hetsika.
TRANOMBOKIM-PIRENENA (BNM)
Nanamarika ny taona 2020 ihany koa, raha ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny fahavitan’ny asa fanavaozana natao ho an’ny Tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha. Ankoatra ny fanatsarana natao tamin’ny lafiny fotodrafitrasa, dia fitaovana maro ihany koa no nampidirina tao an-toerana, ary nohajariana ka zary misy sokajiny avokoa ny efitrano rehetra. Nifanindra an-dalana tamin’ny fanavaozana ny BNM, ny finiavan’ny Minisitera hanohana ny rohin’ny Boky, amin’ny alalan’ny tantsoroka atao amin’ireo mpisehatra maro voakasik’izany, toy ny mpanonta boky, ny mpanoratra, ny tranomboky, ny mpamaky sy ny sisa. Ho fanohanana ny mpanoratra ihany koa dia hisy fampirantiana mpanoratra iray isam-bolana eo anivon’ny BNM.
ANAC
Académie Nationale des Arts et de la Culture (ANAC), ivon-toerana natsangan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, natao indrindra hanasongadinana ny zava-kanto sy ny Kolontsaina amin’ny ankapobeny. Araka ny fanampim-panazavana, hisy fampianarana mozika ao amin’ity ivon-toerana ity, toy ny fahaizana mandaha-teny, ny dihy, ny mozika, ny fihirana, sy ny sisa. Andalam-pahavitana ny asa fanamboarana ankehitriny, ary hisokatra amin’ny fomba ofisialy amin’ity taona ity.
Etsy ankilany anefa, mandeha ihany koa ny fanamboarana ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina maro manerana ny Nosy. Araka ny fantatra dia hotokanana amin’ny herinandro ny ao Antsiranana.
BRIGADE ANTI-PIRATAGE (BAP)
Fanavaozana lehibe nataon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ihany koa ny nametrahana ny Brigade Anti-Piratage (BAP), izay rafitra natao hiady sy hanenjika ireo manao hosoka. Efa betsaka ny vokatra azo nandritra izay volana maromaro nipetrahan’ny BAP teo amin’ny toerana izay. Ary anisany nampiavaka ny fomba fiasa ny fanenjehana tsy ankijanona ireo olona minia manao hosoka. Notsiahivin’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, fa isany olana teo aloha ny tsy fanenjehana mitohy ireo mpanao hosoka, hany ka na misy aza ny andro iray hanaovana ny hetsika dia mahazo vahana ihany ireo mpanao hosoka aorian’izay.
HETSIKA MARO HAFA
Ankoatra ireo voatanisa ireo, asa sy hetsika maro hafa no efa natao ary mbola hataon’ny Minisitera amin’ny hoavy. Isany efa vita ohatra ny nanavaozana ny ANTA teo aloha izay lasa “TranoSary”, ary nisy ampahany lasa nankany amin’ny fitaleavana ankapoben’ny Serasera. Asa efa mandeha koa ny fanavaozana ny CMDELAC. Tsy latsa-danja amin’ireo anefa ny tetikasa goavana fananganana “Auditorium” iray lehibe etsy amin’ny tokotany malalaky ny ORTM Anosy, izay hahazaka olona mahery 1 500 mipetraka. Araka ny fanazavana, dia mbola hanamafisana ny sehatra ho an’ny mpanakanto hatrany no antom-pisiany. Ankoatra ireo koa anefa, isany teboka iray goavana efa ataon’ny minisitera, ny famoahana ny didim-panjakana mahakasika ny tambiny alaina amin’ny resaka zon’ny mpanoratra. Araka ny fanazavana dia hisy teknolojia vaovao antsoina hoe “Plateforme de reconnaissance faciale et comptage de Diffusion”, izay handrefy ny taham-pandehanan’ny hira iray amin’ny haino aman-jery sy amin’ny toerana iray.
MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO – KOLONTSAINA: “Manao ny asany amin’ny maha mpiahy azy ny MSK”

“Andraikitry ny Minisitera ny manao tatitra aminareo mpanakanto, amin’ny maha mpiasanareo anay”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK), Lalatiana Andriatongarivo, omaly. Ity tomponandraikitra ity izay nanipika mazava tsara ny maha zava-dehibe ny fihaonana sy ny fiarahana tamin ‘ny mpanakanto omaly satria fotoana nahafahana nizara ireo asa sy hetsika rehetra efa natao sy mbola hataon’ny Minisitera ho fanohanana ny mpanakanto. Nohamafisin-dRamatoa Minisitra, nandritra ny lahateniny, araka izany, fa nanao asany amin’ny Minisitera mpiahy ny sehatry ny Kolontsaina azy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary mbola manao izany hatramin’izao. Betsaka ny asa vita, hahafahana manaporofo izany. Notsindriany manokana kosa ny fiketrehan’ny Minisitera ny Politikam-pirenena momba Kolontsaina. “Ny haha matihanina tanteraka ny asan’ny mpanakanto no tanjon’ny Minisitera”, hoy ny fanazavany. Notsiahiviny fa efa ho impito izao ny teknisianin’ny Cnaps sy ny Minisitera no nihaona, nandaminana ny fomba hahafahan’ny mpanakanto misitraka ireo tombontsoa maro ara-piantohana. “Rehefa hiditra amin’ny Cnaps dia mila ilay antoka avy amin’ny mpampiasa fa tsy afaka tonga dia ilay mpiasa no miditra mpikambana avy hatrany. Ny mpanakanto anefa tsy manana lehibe na hoe mpampiasa. Teo anatrehan’izany, nijoro ny Minisitera, amin’ny maha mpiahy, ny hiantoka ny mpanakanto eo anatrehan’ny Cnaps, ary handoa ihany koa ny ampahany amin’ny latsakemboka mila aloa”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.

Tsy misy sehatra adino
“Sambany vao nisy minisiteran’ny Kolontsaina tena nifandray akaiky tamin’ny mpanakanto”, hoy ny fanazavana. Teo aloha tokoa mantsy, ohatran’ny tsy hita taratra mazava ny tena anjara biriky entin’ny Minisitera nisahana ny kolontsaina hatrizay, teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto sy ny Kolontsaina amin’ny ankapobeny. Fanamby lehibe, noho izany, no ataon’ny ekipa ankehitriny amin’ny fanohanana araka izay azo atao ny mpanakanto sy ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny Kolontsaina. “Ekeko fa tsy mpanakanto aho, saingy miara-miasa amin’ny mpanakanto maro kosa, ary ankehitriny, azoko ambara fa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ilay tontolo aho, noho ny fifaneraserako aminareo artista sy ireo mpiara-miasa amiko ireo”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
Teo anatrehan’izany, tokony ho mpiarahalahy mianala hatrany ny mpanakanto sy ny Minisitera, hoy ny Minisitra. Mbola maro koa ireo tetikasa hatao amin’ny fotoana manaraka, isan’izany ny “Festival des arts urbains”, sy ireo fanomezan-danja ny mpanoratra izay efa natomboka, ary mbola hotohizana. Nomarihin’ny Minisitra fa nomen-danja manokana ny mpanoratra tamin’ity fitantanana ity, raha toa ka, faralahin’olona foana tany aloha.