Songadim-baovao
Fisolokiana sy fivadiham-pitokisana : Hiakatra eny amin’ny Pac ny raharaha « Sky One »
Manoloana ny raharaha fivadiham-pitokisana, fisolokiana ary fanodinkodinana fananan’olona momba ny orinasan-tserasera iray. Hiakatra eny amin’ny Pac ny raharaha, izay mahasaringotra ireo olona akaiky ny fitondrana HVM. Tsy naloan’izy ireo ny vola nifanarahana tamin’ny vidiny ka voatery nampiakatra ny raharaha tamin’ny fitsarana ireo lasibatra…

Hiakatra tsy ho ela eny amin’ny Rafi-pitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti corruption) ilay raharaha fitoriana ny orinasa « Sky One ». Resaka fivadiham-pitokisana, fisolokiana sy fanodinkodinana fananan’olona moa no iampangana ireo tomponandraikitr’ity orinasan-tserasera ity. Maromaro ny voampanga ho tompon’antoka ary olona akaikin’ny Fitondrana HVM ny ankamaroany. Raha ny fanazavana, olon-tokana no tompon’ny ilay fahitalavitra, izay nampitondrainy ny anarana hoe UTV tany am-boalohany. Rehefa novidian’ireto olona akaikin’ny Filoha teo aloha ireto, dia niova ho « Sky One » taty aoriana. Fifanarahana ara-barotra tsotra ary tokony hilamina, saingy ny olana, tsy naloan’ireto farany ny vola nifanarahana, kanefa dia tsy takona nafenina fa nampiasain’izy ireo ilay orinasan-tserasera. An-dry zareo tokoa ny fahefana tamin’izany andro izany ka very an-javony ny fitakiana rehetra nataon’ilay tena tompony. Ny tena mampivarahontsana aza, ity tompony ity indray no nahazo fandrahonana. Nisy mihitsy ny fikasana haka an-keriny ireo ray aman-dreniny, raha ny nambaran’ilay lasibatra.
Ny torina indray no mandrahona…
Ankehitriny, mbola zatra ny lalan-dririnina, izy ireo, ka manohy ny fampitahorana. Misy amin’ireo olona notorina tokoa mantsy, teratany afrikanina antsoina hoe : Lamarana Diallo, izay azo lazaina fa mpitantana ity orinasa ity. Tsy nanaiky mihitsy ity lehilahy ka izy indray no mizahozaho, milaza ho mahafantatra an’izatsy na izaroa ka mampiasa fahefana amin’ny tsy izy. Ny mahatalanjona, toa manampahefana tokoa izy satria dia mahavita mibaiko mpitandro filaminana sy any amin’ny rafi-pitsarana amin’izay tiany. Ohatra amin’izany, ny nandefasany Vadintany nanamarina teny amin’ny Hôpitaly ny taratasy fialan-tsinin’ilay mpitory azy. Ity farany izay tsy afa-nanatrika ny fitsarana noho izy voatery naiditra ny toeram-pitsaboana. Ny mahavariana, toa ny mamo indray no niantso pôlisy satria ny voampanga indray no mitaky ny antony tsy nahatonga ny mpiampanga.
Tsy tokony hahagaga anefa izany, satria raha ny fantatra, misy tetika ambadika ity nahatongavan’ny Vadintany teny amin’ny hôpitaly ity. Fisamborana no tanjona, satria nisy ireo mpitandro filaminana efa niandry ka raha nanaiky nivoaka tany ivelan’ny efitrano nitsaboana azy, araka ny fangatahan’ilay Vadintany ity mpitory dia ho noraisin’ireto mpitandro filaminana voakarama ireto. Asa izay mety ho niafarany satria tsy ny avy any amin’ny foibeny intsony izany no nibaiko ireto mpitandro filaminana, raha ny filazan’ilay mpitory fa ity Afrikanina ity. Marobe, araka izany, ny tsindry avy amin’ireto voampanga, raha ny fanazavana hatrany. Ho hita eo, raha mbola mahavita manampatra ny fahefany hatreny amin’ny PAC, araka ny voalazany ombieny ombieny ireto olona ireto, satria andro vitsy sisa dia hiakatra eny ity raharaha ity.




