Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao

NILATSAKA NY SAZIN’NY “TAS”: Tsy afa-kofidina ho Filohan’ny CAF i Ahmad

Amin’izao andro vitsy mialohan’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Kaofederasiona Afrikanin’ny Baolina Kitra (CAF) izao, nivoaka omaly ny fanapahan-kevitry ny "Tribunal arbitral du sport" (TAS). Ity farany izay nampihena ny sazy fampiatoana 5 taona nataon’ny FIFA, ho roa taona, miaraka amin’ny lamandy 45 000 Euros. Tsy ho anisan’ireo afaka hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Caf, noho izany, ity teratany malagasy ity.

Dimy andro mialohan’ny fotoana voalaza fa hanatanterahana fifidianana izay ho Filohan’ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny Baolina Kitra (CAF), nivoaka ny fanapahana avy tamin’ny TAS na ilay antsoina hoe “Tribunal Arbitral du Sport”. Araka ny voalaza, noho izany, dia miato tsy afaka misehatra eo amin’ny tontolon’ny Baolina Kitra, na iraisampirenena na eto Madagasikara mandritra ny roa taona I Ahmad. Raha tsiahivina, fampiatoana mandritra ny dimy taona no sazy navoakan’ny FIFA na ny Federasionina Iraisampirenena ho an’ny Baolina Kitra ho an’ny Filohan’ny CAF, ny 23 Novambra 2020. Ankoatra izay, mitentina 45 000 Euros no lamandy tsy maintsy aloan’ity teratany malagasy ity, raha toa ka nitentina 185 000 Euros izany tamin’ny fanapahan-kevitry ny FIFA. Fehiny, voatazona avokoa ireo sazy navoakan’ny FIFA saingy nisy fihenany izany, vokatry ny fampiakarana nataon’ny voampanga, izany hoe ny Filohan’ny CAF, teo anatrehan’ny TAS, izay rafi-pitsarana faratampony amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena iraisampirenena. Nitoetra daholo koa ireo fiampangana azy, ankoatra filazana ny nahazoan’ny Filohan’ny CAF, tombontsoa manokana ny famindrana vola ho an’ny fampitaovana tamin’ny CAN 2018.

Araka izany, mihatra avy hatrany ny sazin’I Ahmad, ary tsy ho anisan’ireo afaka milatsaka hofidiana ny tenany. Izany hoe, Andriamatoa Motsepe irery ihany no kandida. Ary raha tsy misy fiovany ny fivoriambe izay voatondro hizoran’ny fifidianana, ny 12 marsa ho avy izao, dia izy no ho Filoha vaovaon’ny CAF.

Fanodikondinam-bola

Raha tsiahivina ny zava-niseho, tapaka teo anivon’ny komitin’ny Etika ao amin’ny Fifa, fa miato tsy afaka misehatra eo amin’ny tontolon’ny Baolina kitra mandritra ny dimy taona ny Filohan’ny Caf, Ahmad Ahmad, ary nihatra avy hatrany izany, na eo amin’ny sehatra iraisampirenena na eto Madagasikara. Araka ny fanazavana, hadisoana maromaro natao tamin’ny fitantanana teo anivon’ny Caf, hatramin’ny fotoana naha filoha azy no antony nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Isany nisongadina tamin’izany ny fanodinkodinam-bola, tsy fanaovana ny asany tam-pahitsiana, fizarana fanomezana sy tombontsoa tsy ara-drariny, fanararaotam-pahefana. Araka ny fanapahan-kevitry ny FIFA tamin’izany koa, mbola mandoa onitra 185.000 Euro koa ity filohan’ny Caf ity noho io raharaha fanodinkodinam-bola tsy nahafahany niala io. Raha tsiahivina, tamin’ny volana jona 2019 dia efa notanana vonjimaika natao fanadihadiana tany Frantsa noho ny raharaha kolikoly ity teratany malagasy nitantana ny Caf ity, saingy tsy lasa lavitra ny raharaha tamin’izany.

Tetsy ankilany anefa, nisy koa ireo raharaha nanamarika ny fitantanan’ny Filohan’ny Caf, raha ny fanadihadiana natao teo anelanelan’ny taona 2017 sy 2019. Saika olana nifandraika tamin’ny fitantanana ny Caf no nahavoasaringotra azy tamin’izany. Tafiditra ao anatin’izany ny famatsiam-bola ny fivahinianana masina tany La Mecque, ny fifandraisany tamin’ny orinasa ara-panatanjahantena Tactical Steel, sy raharaha hafa.

Taorian’ireo fiampangana azy ireo anefa dia nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny TAS ny tenany, ary ireo nivoaka izao ny didim-pitsarana.

Fermer