KolontsainaSongadim-baovao
TSY « MAQUETTE » FOTSINY… : Tafatsangana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Antsiranana
Araka ny Velirano nataon’ny Filoham-pirenena tao Antsiranana, tafapetraka ary notokonana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina any an-toerana, antsoina hoe “Banja”. Fotodrafitrasa izay hampiroborobo indray ny sehatry ny Zava-kanto sy ny asa fanaovan-gazety ao amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny. Tonga nitokana izany tany an-toerana ny Filohan’ny Repoblika mivady sy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo ary ireo mambran’ny Governemanta vitsivitsy.
“Faly izahay mandray ity fotodrafitrasa ity. Handraisana sy ny hikolokoloina ny soatoavina avy aty Antsiranana, izay sady fanatanterahana ny Velirano fahefatra nataon’ny Filoha ihany koa”, hoy ny Governoran’ny Faritra Diana, Daodo Marisiky. Betsaka, hoy ity tomponandraikitra ity, ny kolontsaina mila sehatra ampisehoana azy ao amin’ny Faritra Diana. Marihana koa fa betsaka ireo mpanakanto nivoaka tao Antsiranana, toa an’i Jaojoby, izay mendrika omena sehatra hatrany mba hivelaran’izy ireo.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany kosa, nilaza ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy ho adinony mihitsy ny Velirano nataony tao Antsiranana. Izy izay velom-pisaorana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina noho ny fahavitan’izao asa lehibe izao. “Mametraka ny vina ny Filoha ary ny Minisitra no manatanteraka”, hoy izy. Fotoana izay nilazany fa efa tena miroso koa ankehitriny ny asa fanamboarana ny lalana Ambilobe Vohémar. Eo koa ny lalam-pirenena fahenina izay feno fotaka sy tsy azo andehanana intsony. Nilaza ny Filoha fa tsy maintsy hatao tara io lalana io, ary atomboka amin’ity taona ity ny asa. Amboarina koa ny lalana mankany Ramena. Fotoana izay nilazany fa “misy manakana, mamingana sy misintona antsika hihemotra fa tsy hahasakana antsika izany ».
Hahafahana mikaro-baovao sy manita-pahalalana
Banja, io no hiantsoana ity tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity, amin’ny maha sehatra lehibe hilalaovan’ny artista sy ny mpanao gazety azy. “Nisy ny filazana fa maquette fotsiny no napetraka, tamin’ny fametrahana vatofototr’ity tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ankehitriny, vita ny asa, izay porofo fa miasa ny Fanjakana”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Teo aloha, faralahin’olona foana ny mpanao gazety sy ny Mpisehatra amin’ny tontolon’ny Kolontsaina, hoy hatrany izy. Ity farany izay nanamafy fa ankoatra ny Velirano fahefatra, dia mbola manatanteraka ny Velirano faha-13 koa ity asa vita ity amin’ny fanandratana ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena izay hamelona indray ny hambompom-pirenena. Misy, noho izany, ny toerana natao ho an’ny mpiserasera, izay ahitana efitrano ho an’ny mpanao gazety, hanaovana fiofanana sy ny fandalinana. Hisy koa efitrano ho an’ny informatika izay natokana ho an’ny mpanao gazety, misy “internet”, hahafahana mikaro-baovao sy manita-pahalalana. Ao ihany koa no hipetraka ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety ao Antsiranana, hoy hatrany fanazavana.
Fanaovana fampisehoana mahazaka olona 550 mipetraka
Ho an’ny sehatry ny Kolontsaina manokana, ity tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity dia misy efitrano hahafahana manao fampisehoana, antsoina hoe “Auditorium”, izay mahazaka hatramin’ny 550 olona mipetraka. Ny fitaovana fanamafisam-peo rehetra sy ny mifanaraka amin’izany hahafahana manao fampisehoana dia natolotry ny Filoha manokana, araka ny fantatra. “Azon’ny mpanao teatra ampiasaina ny toerana, azon’ny mpanao dihy, vakodrazana, azon’ny mpanao sarimihetsika ampiasaina koa hanaovana projection Cinéma, eo koa lafiny hosodoka na sary pika izay nametrahana efitrano fanaovana fampirantiana lehibe hahafahana mampiranty an’ireo sangan’asan’ny mpanakanto”, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy latsa-danja koa anefa ny tranomboky, izay sampan’ny tranombokim-pirenenan’i Madagasikara etsy Ampefiloha.




