PolitikaSongadim-baovao

FIHETSIKETSEHAN’NY MPANOHITRA: “Aza korontanina ny Fanjakana miasa tsara”, hoy ny Governoran’i Diana

Saika saro-piaro amin’ny ezaka sy ny finiavana tsara efa hananan’ny Filoham-pirenena ankehitriny avokoa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ankehitriny. Manoloana ireo fanehoan-kevitra izay hita fa tsy mitombina ataon’ny sokajin’olona sasany, nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny Governoran’I Diana, Andriamatoa Daodo Marisiky, izay nilaza fa efa miasa ny Fanjakana misy amin’izao fotoana ka tsy tokony ho korontanina sy ho tabatabaina intsony.

Nanamarika ny tontolo andron’ny omaly ny fitokanana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina tao an-tampon-tanànan’Antsiranana. Isany nanatrika feno ny fotoana ny Governoran’ny Faritra Diana, izay sady tompon-toerana rahateo, ary koa, tsara toerana hiresaka ny tontolon’ny asa fampandrosoana ao amin’ny Faritra iadidiany. Ankoatra ity fotodrafitrasa vaovao ho an’ny tontolon’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity, noho izany, anisany nambaran’Andriamatoa Governora ny fahavitan’ny Lisea Manarapenitra, ny fanamboaran-dalana, ny lalàna mihazo an’I Ramena. Ity farany izay nambarany fa irika iray hampisokatra ny sehatry ny Fizahantany. Ankoatra izay, nambarany koa fa hanomboka tsy ho ela ny fanaovana rarivato ny lalana ao an-toerana. Eo koa ny “hôtel des finances”, ny Lapan’ny Faritra, ny lalam-pirenena mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar. Ity farany izay tsy mola vita saingy nambarany kosa efa adiny efatra izao no hanaovana ny elanelana, raha toa ka maharitra ora maro izany teo aloha. “Porofo izany fa tsy manavakavaka ny Filoha”, hoy ny fanazavany. Ity tomponandraikitra ity izay niantso ny vahoaka mba tsy hanaiky ho voafitaky ny lainga sy tsaho. “Aza tabatabaina ny Fanjakana miasa tsara”, hoy izy manoloana ireo karazana fandrabirabiana ataon’ny mpanohitra ankehitriny. “Teo ianareo tsy nahavita”, hoy izy. “Tsy azo hodian-tsy hita ny ezaka tamin’ny Covid-19, noho izany, mitsipaka ny fihetsik’izay mikasa hanohitohina ny Fitondram-panjakana izahay, ary manohana ny Filoha hatrany ny vahoakan’I Diana”, hoy hatrany ny fanazavany.

“Tsapanay ny zava-bitanao”

Isany mbola nanao fanehoan-kevitra politika koa ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny Faritanin’Antsiranana, Jocelyne Maxime, nanoloana ireo asa fampandrosoana maro ho an’Antsiranana. « Faly izahay fa manampy anay vahoaka Malagasy ianao. Misaotra anao. Izahay tsy hanaiky ny fanakorontanana. Tsapanay ny zava-bitanao », hoy izy.

Tetsy ankilany, nilaza ny Filoha Andry Rajoelina, raha nitokana ireo zava-bita ireo omaly, fa « tsy izay mivazavaza akory no mafy na manana ny rariny”. Betsaka, hoy izy, no nampanantena zavatra maro ho an’Antsiranana, saingy tsy nisy nahavita. Izy izay nanambara fa mila aseho amin’ny asa ny fitiavana. Tsy ho hadino intsony Antsiranana raha hadino fona hatramin’izay, hoy hatrany izy.

Nohamafisin’ny Filoha, noho izany, fa tsy maintsy hotanterahina daholo ny Velirano natao. Isan’izany ny hopitaly manarapenitra, kianja manarapenitra izay hotokanana amin’ity taona ity, ankoatra ireo fotodrafitrasa maro efa natao tao Antsiranana. “Misy ny efa nitondra fa tsy nanao na biriky iray aza teto. Ny antsika maro ny efa natao. Efa mandeha ny fanamboarana ny lalana Ambilobe- Vohemar. Fantatray ny fijalianareo amin’ny RN6. Tsy maintsy ho vitaina tara io. Amin’ity taona ity dia hatomboka izany”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Ny Filoha izay nanamafy fa mbola vao  fanombohana ihany ireo zava-bita ireo fa tsy mifarana akory. Mbola betsaka ny zavatra hatao. “Misy manakana sy mamingana ary misintona antsika hihemotra fa tsy hahasakana antsika izany », hoy izy.

Ny Fanoratana.

Fermer