PolitikaSongadim-baovao

JEAN ERIC RAKOTOARISOA SY NY EKIPANY…: Manao fampandehanan-draharaha sisa aorian’ny 12 Marsa

Nivoaka ny Didim-panjakana vaovao mitondra ny laharana 2021-261, tamin’ny 04 martsa 2021, manambara ny fifaranan’ny fe-potoam- piasan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ankehitriny. Araka ny voalaza tao amin’izany didy izany, mifarana rahampitso 12 Marsa ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana ao amin’ny HCC, izay naharitra fito taona.

Tamin’ny alalan’ny fanambarana navoakan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly no nampahafantarana ny fifaranan’ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ankehitriny. Arak’ity fanambarana ity, hifarana rahampitso 12 Marsa 2021 ny fotoam-piasan’ingahy Jean Eric Rakotoarisoa sy ireo mpiara-miasa taminy nandritra ny fito taona. « Ny Didim-panjakana laharana faha 2014-102 tamin’ny 27 Febroary 2014 no nanendrena ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay natolotry ny Filoham-pirenena », hoy ny fampitam-baovao. Raha tsiahivina, ny 12 Marsa 2014 no nanaovan’izy ireo ny fihanianana ary nanomboka tamin’io fotoana io ihany koa ny fotoam-piasan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana.

Eo anatrehan’izany, mihatra ny didim-panjakana vaovao mitondra ny laharana 2021-261 tamin’ny 04 marsa 2021 izay manambara ny fifaranan’ny fe-potoam-piasan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana ankehitriny. Fampandehanan-draharaha izany sisa no hataon’ireo mpikamban’ny HCC ankehitriny manomboka rahafakampitso, mandrapahavitan’ny fihanianan’ireo mpikambana vaovao, araka ny voalazan’ny andininy faharoa ao amin’ny didim-panjakana.

Fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana

Omaly ihany dia efa nolaniana tao amin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana voalohany hataon’ny Antenimiera roa tonta ny 17 Marsa izao ary haharitra 12 andro. Isany lahadinika amin’izany ny fifidianana ny ho solontena avy, avy amin’ny Antenimiera roa tonta ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Tsara ho fantatra fa araka ny andininy 114 ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia misy mpikambana sivy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny
Lalàmpanorenana. Ny fe-potoana iasany dia fito taona tsy azo havaozina.
Mpikambana telo amin’izy ireo no tendren’ny Filohan’ny Repoblika, roa fidin’ny
Antenimierampirenena, roa fidin’ny Antenimierandoholona, ary roa fidin’ny Filankevitra
Ambony momba ny Mpitsara.
Ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia fidin’ny mpikambana
amin’ireo mpikambana ao amin’io Fitsarana io.
Izany fifidianana izany ary koa ny fanendrena ny mpikambana hafa dia toavina amin’ny
alàlan’ny didim-panjakana raisin’ny Filohan’ny Repoblika. Araka ny andininy 115, ny asa maha mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny
Lalàmpanorenana dia tsy azo ampirafesina amin’ny asan’ny mpikambana ao amin’ny
Governemanta, ao amin’ny Antenimiera, amin’izay rehetra andraikitra maha olom-boafidimbahoaka eo anivon’ny vahoaka, amin’izay rehetra asa aman-draharaha hafa ahazoam-bola afatsy ny asa fampianarana, ary koa ny asa aman-draharaha rehetra eo anivon’ny antoko politika
na eo anivon’ny sendikà .

Anjara asan’ny HCC

Ny andininy faha 116 ao amin’ny Lalàmpanorenana no mamaritra ireo asa hafa sahanin’ny HCC, araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro. Voalaza ao fa ny Fitsarana Avo
momba ny Lalàmpanorenana no mitsara raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ireo fifanekena, lalàna, hitsivolana, ary ireo didy amam-pitsipika mahaleotena. Eo koa ny fandaminana ny fifanolanana ara-pahefana eo amin’ny Andrim-panjakana roa na maromaro, na eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana iray na maromaro na eo amin’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana roa na maromaro. Etsy ankilany, manana fahefana mitsara ny HCC raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fanapahana sy didy amam-pitsipika
nankatoavin’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana. “Mitsara ny raharaha mikasika ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona. Manambara ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakana ny hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka”, io koa mbola anjara asan’ity andrimpanjakana ity, araka ny voalazan’io andininy io.

Fermer