PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA BIRAON’NY OJM : Hatao aorian’ny fitsanganan’ny lisitra ofisialin’ireo mpanao gazety matihanina
Tafiditra tanteraka ato anatin’ny dingana fanaovana ny karatra maha matihanina ho mpanao gazety isika izao. Efa tapitra ny fe-potoana nahafahana nametraka ny antontan-taratasy ho an’ny mpanao gazety izay manao fangatahana, ary efa andalam-pandinihana izany ny Vaomiera foibe, sy ireo Vaomiera isam-paritra sy isam-paritany ankehitriny.
Tafiakatra 600 ny isan’ireo mpanao gazety nanao fangatahana hisitraka ny karatra maha matihanina teo anivon’ny Vaomiera misahana ny fanoloana ny karatra maha matihanina, ho an’ny teto amin’ny Faritra Analamanga. Midika fa mbola hiakatra ambonimbony kokoa io tarehimarika io rehefa tafavory aty amin’ny vaomiera foibe daholo ireo avy any amin’ny Faritra. Marihana fa ankoatra ny Vaomiera nasionaly, dia misy koa ny vaomieram-paritra, sy ny vaomieram-paritany. Mampiakatra ny lisitra ao amin’ny renivohi-paritany, noho izany, ireo avy any amin’ny Faritra rehetra. Ireny rehetra ireny avy eo no hakarina aty amin’ny Vaomiera itambarana nasionaly, izay mandinika ny antontan-taratasy hanaovana ny karatra.
“Ny minisitera dia nanapa-kevitra ny hisintaka tanteraka ao anatin’ilay dingana fanaovana ny karatra. Fanampiana ara-materialy kosa no entin’ny Minisitera, satria tsy manana tetibola hahafahana manao izany ny holafitry ny mpanao gazety”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly. Ny holafitra kosa no manao Sonia ny karatra, amin’ny maha tomponandraikitra azy ireo. Tsara marihana fa amin’ny maha holafitra azy, dia mpikambana avy hatrany ao anatin’ny holafitra ireo mpanao gazety manana karatra maha matihanina.
Mpanao gazety matihanina no hifidy
Ireo lisitra izay voaangona fa hahazo ny karatra, araka ny fandinihana nataon’ny Kaomisiona Rezionaly , Faritany, ary Nasionaly, no hivoaka mialoha. “Hivoaka ny lisitra dia omena fotoana ny mpanao gazety rehetra hanao fanamarihana na hanao fanitsiana, raha ohatra ka misy tokony ho ao anatiny nefa tsy ao anatiny. Na ny mifanohitra amin’izay. Rehefa tapitra izay fe-potoana izay, dia mandinika indray mandeha ny komity. Aorian’izay vao mivoaka ny lisitra farany ofisialy, tena izy”, hoy hatrany fanazavan’ny tomponandraikitra. Miainga amin’io lisitra tena izy io, araka izany, no lisi-pifidianana hifidianana ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety (OJM) vaovao. Izany hoe, efa mpanao gazety hita fa matihanina no hifidy amin’io fotoana io, ary amin’ny alalan’ny kara-panondro no hifidianana noho ny mbola tsy fisian’ny karatra. Notsindrian’ny Minisitra fa tsy mbola hisy fizarana ny karatra aloha mialohan’ny fifidianana, satria anjaran’ny OJM no manasonia ny karatra fa tsy an’ny Minisitera. Rehefa tafapetraka kosa ny biraon’ny OJM dia izy ireo amin’izay no hanasonia ny karatra tsirairay avy.



