PolitikaSongadim-baovao

FAHAZOANA ILAY 150 TAPITRISA DOLARA… : “Vokatry ny fahaiza-mitantan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny”

Fanampim-panazavana sy fanitsiana ireo resaka iniana aely ankehitriny no anisany nentin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, nandritra ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”. Notsindriany fa tsy misy idiran’ny Fitondram-panjakana teo aloha velively ny fahazoana ilay fanampiana 150 tapitrisa Dolara avy tamin’ny Banky Iraisampirenena farany teo, fa noho ny fahaiza-mitantan’ny Filoham-pirenena sy ny Governemanta mijoro ankehitriny.

Raha ny kabarin’ny solontenan’ny Banky Iraisampirenena teto amintsika, nandritra ny fifanaovan-tsonia fanomezana iny fanampiana ara-bola mitentina 150 tapitrisa dolara iny no henoina, dia voazava tsara tao fa nahafa-po azy ireo ny fahaiza-mitantan’ny Filohan’ny Repoblika, nisoroka sy niady tamin’ny Covid-19, ary ny fandraisana andraikitra nataony, ny Governemanta sy ny Minisitra isan-tsokajiny. Nilaza ho afa-po tamin’ny fomba nitantanana ny Covid-19 io tomponandraikitra io nandritra ny lahateniny. Notsiahivin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly, mihitsy aza fa nahazo fankasitrahana manokana  avy taminy, ny Filoha Andry Rajoelina. “Nametraka fitokisana tanteraka tamin’ny Fanjakana malagasy ny Banky Iraisampirenena tamin’ny fitantanana ny Covid-19”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta. Noho izany, ny nanomezana ny vola mitentina 150 tapitrisa Dolara dia mbola entina miatrika ny fiantraikan’ny Covid-19 hatrany. Ankehitriny anefa, hoy ny Minisitra, misy milaza fa ny Minisitry ny mponina tany aloha no nanao ny fifampiraharahana tamin’io vola io, tany amin’ny taona 2017, ary izao aty amin’ny 2021 izao vao nivaly izany.

Ny kabarin’ity solontenan’ny Banky iraisampirenena ity ihany anefa dia efa mahavaly izany vaovao tsy marina aely izany. Raha tsiahivina, nilaza ity tomponandraikitra ity manao hoe, “Hitanay ny fiantraikany ara-tsosialin’ny fihibohana sy ilay valanaretina tamin’ny tokantrano malagasy maro, hatrany amin’ny 4 tapitrisa”. Araka izany, vola natao ho an’ny Covid-19 ilay 150 tapitrisa dolara nomena. “Efa nahalalana mialoha ve izany ny Fanjakana tamin’ny 2017 fa hisy ny Covid-19 aty amin’ny taona 2020 ka nandeha nanao fifampiraharaha tamin’ny banky iraisampirenena? Voaporofo fa lainga ny filazana hoe tamin’ny 2017 no nanaovana ny fifampiraharahana”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly.

18 Volana  

Araka ny kabary hatrany, eo amin’ny 18 volana eo ho eo no hanaovana fifampiraharahana amin’ny fanomezana vola tahaka izao. Izany hoe, tokony 18 volana talohan’ny 10 marsa lasa teo izany no tokony nanaovana ny fifampiraharahana nahazoana ny vola, saingy noho fahaiza-mitarika nananan’ny Filoha, dia nohafohezina ny fotoana nahazoana izany.

Na atao aza hoe 18 volana ny fifampiraharahana , ny Fanjakana ankehitriny efa ho 24 volana no nijoroany. Izany hoe, tokony ho tany amin’ny faraparan’ny taona 2019 tany ho any no nanao ny fifampiraharahana. Saingy efa nohafohezina anefa, izany hoe, ny taona 2020 no natao ny fifampiraharahana. Izany rehetra izany dia manaporofo fa tsy misy idirany tamin’ny asa nataon’ny Fitondrana teo aloha mihitsy ity fanampiana azon’I Madagasikara farany teo ity.

Ny Fanoratana.

Fermer