Songadim-baovaoSosialy

MPIFINDRA MONINA ANY ATSIMO: Naverina any amin’ny tany niaviny, narahina tohana avy amin’ny Vadin’ny Filoha

Manatanteraka ny vinan’asa fampandrosoana sy fiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, Kere any atsimo, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka maro samihafa Ramatoa Mialy Rajoelina, nanomboka afak’omaly. Nitondra vahaolana maro ary nametraka fotodrafitrasa maharitra ihany koa izy.

Manoloana ny trangana fifindra-monina niseho any aminy tapany Atsimon’ny nosy, nidina ifotony any an-toerana ny vadin ‘ny Filoham-pirenena Ramatoa Mialy Rajoelina mijery ny zava-misy marina. Tsy nitazam-potsiny ity trangan-javatra ity ny tenany fa avy hatrany dia nandray ny andraikitra tandrify azy. Araka izany, olona manodidina ny 360 isa, mitsinjara anaty tokatrano 72 eo ho eo, no tombanana hanainga amin’ny andiany voalohany amin’ny fampodiana ataon’ny Fanjakana, raha toaka mbola hisy ny andiany manaraka, araka ny fanazavana. Notolorana fitaovana kojakoja an-dakozia sy vatsy maro samihafa koa izy ireo, mba hahafahany miatrika avy hatrany ny andavanandrom-piainany indray. Nambaran’ny Vadin’ny Filoha fa manan-danja lehibe aminy ny fanomezan-tanana ny mponina marefo sy misedra olana amin’ny fiainana. Nanolotra vahaolana maharitra ihany koa ny tenany tamin’ny fanomezana masomboly mifanaraka amin’ny toetany sy ny toetrandro any an-toerana. Efa lalim-paka loatra, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina, ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny faritra Atsimo noho ny Kere. Eo koa ny dian-tongotra an-kilaometatra maro, izay tsy maintsy atao, vao mahita sakafo. Tamin’izany no nilazan’ity farany, izay reny mpiahy ny zaza amam-behivavy malagasy, indrindra fa ireo marefo, fa hisy ny fananganana ozinina mpamokatra koba any an-toerana.

Vahaolana maharitra

Raha tsiahivina dia efa ny Alarobia lasa teo ny delegasionina notarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina no efa tonga tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, manantanteraka ireo vinan’asa maro miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka samihafa. Vahaolana maharitra sy goavana no entin’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika mba hampitoniana ny fijalian’ireo ankizy ianjadian’ny Kere. Ka anisan’izany ny fananganana ozinina « nutriset » mpamokatra fanampin-tsakafo ho an’ny ankizy, izay haparitaka manerana ireo Disitrika maro hisian’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tsara marihana fa ireo asa rehetra ireo no tanteraka dia noho ny fiarahamiasa misy teo amin’ny Fitondram-panjakana izay niantoka manontolo ny fampodiana ireo olona mpifindra-monina, ny PAM sy ny Unicef izay nanolo-tanana ihany koa, ny Fondation Merieux, ny vondrona nutriset ary ny Fikambanana Fitia. Efa miroso ny asa ary azo antoka fa tsy ho ela dia ho foana  any atsimo ny tsy fanjarian-tsakafo noho izao ezaka lehibe izao.

Sata (mpianatra asa) sy LR.

Fermer