Songadim-baovaoSosialy

COVID-19: Miakatra ny tarehimarika, hamafisina ny fampiharana ireo fepetra sakana

Tsy mitsaha-miakatra ny tarehimarika mahakasika ireo olona voamarina fa mitondra ny Covid-19 eto amintsika, indrindra tato anatin’ny roa herinandro farany. Ny sabotsy teo, nanamafy ny Praiminisitra fa tsy mbola mikasa ny hamerina ny fihibohana ny Fanjakana, saingy, ilaina kosa ny fanamafisana ny fampiharana ireo fepetra sakana rehetra, hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.

Manoloana ny fiakaran’ny antontanisa amin’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus, ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina dia nanapa-kevitra ny namerina indray ny fitaterana isanandro ireo antontanisa momba ny valanaretina Covid-19 ao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM, ary izany dia efa nanomboka omaly alahady 14 Marsa. Araka izany, raha ny antontanisa nivoaka omaly, ho an’ny fitiliana natao ny sabotsy 13 Marsa teo no asian-teny, dia niisa 126 ireo tranga vaovao voamarina. 100 kosa ireo sitrana soamantsara, raha toa ka nisy narary telo nidaosin’ny fahafatesana. Filitiana miisa 599 no nahitana ireo tranga vaovao ireo. Marihana fa 67 ireo tranga misy fahasarotany, raha io antontanisa nivoaka ny sabotsy teo io. Mbola ny Faritra Analamanga hatrany no mitana ny laharana voalohany amin’ireo toerana ahitana ny valanaretina. Tamin’ireo antontanisa ireo, 80 ny tranga vaovao voamarina teto amin’ny Faritra Analamanga, 59 kosa ireo sitrana soamantsara, raha toa ka 59 ireo maneho fahasarotana, ary iray no namoy ny ainy.

Tato anatin’ny roa herinandro farany

Raha hiverenana ny antontanisa azo ny 27 Feborary ka hatramin’ny 04 Marsa 2021, dia nisy tranga vaovao 563 hita, raha toa ka 284 ireo sitrana, ary niisa 10 ireo namoy ny ainy. Ny antontanisa azo nanomboka ny 05 Marsa ka hatramin’ny 12 Marsa 2021 kosa indray naneho fa niisa 638 ireo tranga vaovao voamarina, raha toa ka niisa 553 ireo sitrana soamantsara. Tafiakatra 16 kosa anefa ireo namoy ny ainy.

Rehefa atotaly, araka izany, ny tarehimarika tafiakatra 21 482 ireo tranga voamarina fa nitondra ny Coronavirus teto Madagasikara, nanomboka ny 23 Marsa 2020 ka hatramin’ny 13 Marsa 2021 teo.  Tafiakatra 20 480 kosa anefa, tetsy ankilany, ireo nahazo fahasitranana soamantsara, raha toa ka miisa 323 ireo efa namoy ny ainy. Hatramin’ny sabotsy teo kosa, niisa 128 905 ny fitambaran’ny fitiliana vita teto amintsika.

Hamafisina ny fanajana fepetra

Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Praiminisitra ny Sabotsy teo, tao amin’ny Distrikan’Avaradrano, nilaza ny tenany fa ilaina ny fanamafisana ny fampiharana ireo fepetra sakana manoloana ny fiakaran’ny antontanisa ankehitriny. “Tsy mbola lefy ny valanaretina”, hoy izy. “Efa miditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ihany koa isika, ka ilaina ny fanamafisana ny fanentanana amin’ny adidy sy ny andraikitra miandry ny tsirairay, amin’ny fiarovan-tena sy ny fiarovana ny hafa”, araka ny fanazavana hatrany. Nohamafisiny fa misy ireo Coronavirus amin’ny endriny vaovao, izay efa miparitaka eran-tany. Tsy maintsy hamafisina, noho izany, ny fandraisana andraikitra sy ny rindran-damina amin’ny ady. Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no lohalaharana amin’izany. Izy izay nanentana ny vahoaka rehetra amin’ny fanajana ireo fepetra sakana, mba hiadiana amin’ny valanaretina. Nanamafy ny  Praiminisitra fa ny fanatevenana ireo paikady sy ezaka rehetra efa natao ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina no ataon’ny Fitondram-panjakana amin’izao fa tsy mbola misy ny fiverenana indray ao anatin’ny fihibohana.

Fermer