Politika
FANATANTERAHANA NY VELIRANO : Nojerena ifotony ny olana ao amin’ny distrikan’Ikongo
Tafiditra amin’ireo distrika mbola sahirana tanteraka ny ao amin’ny distrikan’Ikongo. Nisy ny fidinana ifotony avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny farany herinandro teo, ijerena ifotony hamahana ny olana mianjady sy hanatontosana ny veliranon’ny Filoha any an-toerana…

Anisan’ireo distrika mbola mitoka-monina eto Madagasikara, ny ao amin’ny distrikan’Ikongo, izay 92 km miala avy eo amin’ny distrikan’ Ifanadiana (RN-14). Eo amin’ny lafiny fifamoivoizana an-tanety, sahirana tanteraka ny mponina amin’ny famoaham-bokatra na ny famatsiana ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, noho ny faharatsian’ny lalana 92 km. Misedra olana ny famatsiana solika ampihodinana ny milina mitondra herinaratra ao an-tanàna. Sahirana tokoa ireo fiara lehibe mpitatitra satria mandritra ny enina andro no anaovana io halaviran-dalana io. Manampy izany, ny fahanteran’ireo tetezana roa miditra ny tanàna, izay miteraka ny fitaterana indroa miantoana ireo solika 5000 litatra. Ankoatra ireo, efa antitra avokoa ny fotodrafitrasa toy ny sekoly sy ny biraom-panjakana, izay efa simba tanteraka ary tsy nisy fanatsarana na fanamboarana nandritra ny fitondrana nifandimby.

Manoloana ireo zava-misy ireo, nidina ifotony tany an-toerana, ny farany herinandro lasa teo, Razakazafy Jean Marc, avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika nijery ifotony ny fomba hamahana ny olana sy hanatanterahana ny veliranon’ny Filoham-pirenena. Tafiditra ao ny fampanantenana ny hanomezana kianja mitafo an’Ikongo. Efa natolotr’ireo Ampanjaka sy ireo Vavatany, ny tany hanorenana io kianja io. Nandritra ny fihaonana koa no nampitan’ireo Ampanjaka any an-toerana ny fanirian’izy ireo, ho tafiditra ao anatin’ny Faritra Vatovavy, mba hisian’ny fampandrosoana maharitra. Tonga nanotrona ny fitsidihana ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana sy ny solombavambahoaka voafidy tao Ikongo, sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena avy ao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, Razafitsiandraofa Jean Brunelle.




