Sosialy
Fampandrosoana an’i Bongolova : Mitohy ny fanamboarana lalana rarivato isam-pokontany
Vao volana vitsivitsy no nitantanan’ny Governoran’ny Faritra Bongolava ny asany, dia efa manomboka misongadina ny fanatanterahany ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika. Mitohy ny fanamboarna lalana rarivato isam-pokontany sy ny fanalana ny olana momba ny tsy fandriampahalemana any any-toerana…

Misy efa herintaona mahery, ny sasany vao enim-bolana teo ho eo izay no nipetrahana sy nandraisan’ireo governoram-paritra ny asany tany amin’ny faritra izay misy azy. Misy ireo governora mitavozavoza sy mialokaloka amin’ny sezany fotsiny, saingy misy kosa ireo hita ho tena manao ny asany sy andraikitra nankinin’ny Fitondram-panjakana taminy. Raha ny ao amin’ny Faritra Bongolava manokana no jerena, tsikaritra ho efa maro ireo asa fampandrosoana niainga sy efa mandeha. Isan’ireo Faritra tena taraiky tamin’ny fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra mihitsy ny Faritra Bongolava teo aloha. Nahitam-pivoarana tanteraka anefa io Faritra io tao anatin’izay enim-bolana nitantanan’ny Governora, Jly Joseph Ramiaramanana. Ity farany mantsy izay efa nanome toky fa vonona ny hampandroso ny Faritra Bongolava amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo asa marobe mifandraika amin’ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika. Isan’izany ny fampiharana eny an-kianja ny fanamboarana sy fametrahana lalana rarivato isam-pokontany. Efa nisy ary mbola mitohy koa ny fanamboarana ireo lavaka na ilay antsoina hoe « Point noir » amin’ny lalana tao Bemahatazana ao Tsiroanomandidy.
Ady amin’ny tsy fandriampahalemana

Ankoatra izay, efa nisy koa ny hetsika manokana natao nentina namahana ny olan’ny mponina amin’ny resaka herinaratra sy namahana ny olan’ny tanora amin’ny sehatra arakasa. Momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana kosa indray, efa nisy ny paikady vaovao natapetraky ny Governoran’ny Faritra Bongolava, ny Jly, Joseph Ramiaramanana. Ity farany mantsy izay nahavita nampiray ireo foko 18 misy ao amin’ny Faritra Bongolava. Marihina anefa fa fototry ny olana amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana sy ny resaka halatr’omby hatrizay io tsy fisiana firaisan-kina io. Amin’izao fotoana izao, efa mihamilamina ny raharaha mafana rehetra any an-toerana ary efa mihena be koa ny resaka tsy fandriampahalemana any amin’iny Faritra Bongolava iny. Ankoatra ireo asa fampandrosoana efa voalaza rehetra ireo, mitoetra hatrany ny fivoriana fanao isam-bolana iresahana sy hitadiavam-bahaolana amin’ny resaka fitaterana sy fizahantany ary ny lafiny maro izay, izay hanaovan’ny Faritra Bongolava ezaka manokana.



