Songadim-baovao
Fanakorontanana teny Vontovorona sy Ankatso : Mpianatra telo voasambotra, voaporofo ny fisian’ny mpampirisika
Nanatanteraka fihetsiketsehana ireo mpianatry Vontovorona sy ny teny Ankatso omaly maraina. Mpianatra telo tena mahery setra nitoraka mpandalo no voasambotra teny Vontovorona. Mihanahery vaika koa ny hetsiky ny mpianatra teny Ankatso satria tsy vitan’ny nandoro kodiarana fa mitoraka mpandalo sy nanakorontana ireo mpivarotra teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe 119. Voatery nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ireo mpitandro filaminana…

Nanao hetsika indray ireo mpianatra eny amin’ny Polyteknika Vontovorona omaly maraina nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany teo ho eo. Manodidina ny 200 izy ireo ary nivoaka ny faritry ny Oniversite. Mitaky fandoavana vatsim-pianarana dimy volana izy ireo, ary nilaza fa misy ny tsy fijerena mitovy ny mpianatra, raha nomena fahafaham-po ny tany Toliara. Rehefa nivoaka teny an-dalambe izy ireo, dia nanao sakan-dalana vato sy nandoro kodiarana tamin’ny lalam-bahoaka mandalo ny Oniversite, izay mampitohy tanàna maro ary ifamezivezen’ny olona maro sy fiara maro, ka tapaka tanteraka ny lalana. Nitoraka ny olona nandalo sy ny Polisy ary zandary tonga teny an-toerana nandamina koa ireo mpianatra, saingy tsy nisy naratra hatreto. Nandray andraikitra ny mpitandro filaminana tonga teny an-toerana ka telo tamin’ ireo tena nahery setra no nosamborina. Tsy nisy ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso teny an-toerana. Natao famotorana tao amin’ny Tobim-paritra Fenoarivo ireo voasambotra ary efa nampahalalaina ny Fampanoavana.
Ankoatra izay, nanatanteraka hetsika koa ny mpianatra teny Ankatso omaly maraina, nanomboka tamin’ny 11 ora latsaka fahefany, izay nitakiana ny vatsim-pianarana efa-bolana. Nivoaka ny faritry ny Oniversite izy ireo. Nandoro kodiarana teo anivon’ny sampanana miakatra an’Ankatso sy ny toby fiantsonan’ny taksibe 119. Nitoraka fivarotan’olona sy ny mpandalo ary tena nahery vaika tokoa. Tonga teny an-toerana ny Polisy sy ny zandary ary voatery nampiasa baomba mandatsa-dranomaso, mba hampitsaharana ny fihetsika tsy mety nataon’ny mpianatra tamin’ireo olon-tsotra sy nanosehana azy ireo hiditra ao amin’ny faritry ny Oniversite.
Misy ireo mpampirisika…

Nandritra ny korontana notanterahin’ireo mpianatra teny Ankatso, dia tsy nisy ny naratra. Tsy maintsy niakatra tany amin’ny toerana ambony ireo mpitandro filaminana, mba hahafaha-mifehy ireo mpianatra tsy hanohy ny fihetsika tsy mety nataony sy tsy hisian’ny mpitandro filaminana haratra, raha hotorahina avy eny ambony. Nisy olona vitsivitsy, nilaza ho tomponandraikitra ao amin’ny Oniversite, nilaza tamin’ireo mpitandro filaminana hidina eny ambany, fa faritry ny Oniversite io misy azy ireo io, kanefa tsy mbola nisy ny nanala ny « franchise universitaire ». Nilaza ny mpitandro filaminana ary namaly fa hampirisika ireo mpianatra hitora-bato azy ireo sy ny olon-tsotra ny fialany eo, ka hiteraka fahasimban-javatra sy faharatran’olona. Raha ny fahitana ny fihetsik’ireo mpianatra sasantsasany, dia tena mahery setra tokoa, ary hita fa misy mampirisika mihitsy izy ireo, raha ny fihetsika mahery vaika nasehon’ny sasany tamin’izy ireo. Tombanana fa mety ho avy amin’ny mpanohitra na mety ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Oniversite, izay tsy mahazaka ny fametrahana ny « digitalisation » satria very fihinanana. Antoka iray hisian’ny fangaharahana anefa, ny fametrahana ny « digitalisation ».
Hivaha tsy ho ela…
Nambaran’ny Talen’ny Kabinetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Atoa Razanakolona Diny omaly, fa « efa nivoaka omaly maraina ny fandoavana ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny fampitaovana any Toamasina, manodidina ny 6000 eo ho eo. Ho an’Antananarivo kosa, efa mamarana tanteraka ny lisitra sy ny fanaraha-maso ny eo anivon’ny Fampianarana ambony, tamin’ny alalan’ny fametrahana ny « digitalisation ». Manadio ny lisitra izahay sisa dia hivoaka ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny fampitaovana ». Na izany aza, mpianatra ao amin’ny taona fahefatra sy taona fahadimy miisa 572 ao amin’ny fakiolten’ny Teny sy haisoratra ary siantsa ny maha olona sy ny eo anivon’ny Sampana Lalàna sy ny toekarena ary fitantanana no efa mandray ny vatsim-pianarana efa-bolana sy fampitaovana. Vantany vao ekena ny lisitra farany amin’ireo hisitraka ny vatsim-pianarana dia azon’ireo mpianatra avy hatrany ny mandray ny vatsim-pianarana eny amin’ny Paositra Money. Tsy ho ela koa dia hivoaka koa ny « carte visa » ho an’ireo mpianatra.




